a
FandraisanaVaovaom-paritraANTSOHIHY : MIHOMANA AMIN’NY FANDRAISANA NY EVEKA DONATIEN FRANCIS

ANTSOHIHY : MIHOMANA AMIN’NY FANDRAISANA NY EVEKA DONATIEN FRANCIS

ANTSOHIHY : MIHOMANA AMIN’NY FANDRAISANA NY EVEKA DONATIEN FRANCIS

Raha tsy misy fihovana dia ny Alarobia 11 Janoary 2023 izao no higadona eto Antsohihy ‚ renivohitrin’ny Faritra Sofia ny Eveka vaovaon’ny Diosezin’Ambanja ‚ Randriamalala Donatien Francis.

 Misy araka izany ny fandraisana azy amin’ny fomba makotrokotroka sy miavaka ataon’ny Kristianina avy ao amin’ny fiangonana katolika sy ny vahoaka tsy an-kanavaka asaina hiatrika ny lanonana sy fotoam-bavaka hiarahana aminy ao amin’ny Paroasy MD PAOLY Antsohihy amin’io daty voalaza etsy ambony io.

Manoloana ny fiatrehana izany dia nilaza ny lehiben’ny Prefektiora eto Antsohihy ‚ taorian’ny fivorian’ireo lehiben’ny sampandraharaha niraisana androany 09 Janoary 2023 fa raisin’ny OMC an-tànana ny fitandroana ny filaminana mandritran’io fotoana io ‚ miara-miasa akaiky amin’ny kaominina ambonivohitry Antsohihy ihany koa izy ireo momba ny fanapahan-dalana amin’ny fotoana voafetra mandritran’io hetsika io mba hisian’ny filaminana mandritran’ny fandalovany eto Antsohihy sy ato amin’ny Faritra Sofia.
_____________________________
Aboaho Ankiaka ® JDR News.
Zarao :
Omeo naoty ny lahatsoratra

contact@presse-aboahoankiaka.mg

-

Leave A Comment