a
FandraisanaVaovaom-paritraANTSOHIHY : MATY VOTIFITRA I RADONNÉ SY LETOFY ▪️DAHALO MPAMPIHOROHORO VAHOAKA NO SADY MPAMERIKELOKA

ANTSOHIHY : MATY VOTIFITRA I RADONNÉ SY LETOFY ▪️DAHALO MPAMPIHOROHORO VAHOAKA NO SADY MPAMERIKELOKA

ANTSOHIHY : MATY VOTIFITRA I RADONNÉ SY LETOFY ▪️DAHALO MPAMPIHOROHORO VAHOAKA NO SADY MPAMERIKELOKA

 Tsy maty manota izy roalahy ireo raha ny fanazavana ‚ manotohoto vahoaka ao amin’ny Distrikan’i Befandriana avaratra sy Antsohihy ary izy ireo no anisany tompon’antoka tamin’ny fandravana omby sy fandoroana tanàna tao Morafeno ka nampivarahontsana ny vahoaka maro ‚ izy ireo ihany koa manao fanafihana mitam-piadiana mahery vaika mandrava ombin’ny Tantsaha ary mandoro trano aveo mandositra miaraka amin’ny fananan’olona ‚ efa voasazy tany am-ponja fa mbola nanohy ny asa ratsiny ihany.

Tratran’ny patsa iray tsy homby vava ireto farany ka samy voatifitry zandary ary namoy ny ainy vokatry ny ratra mafy nahazo azy . Tao Betomendry kaominina Anahidrano no nahavoatifitra an’i LETOFY ary tao Andilambe kaominina Ampandriankilandy kosa i RADONNÉ izay samy ela nikarohana azy ‚ nanano sarotra ny fisamborana ka voatery nampiasa fitaovana teny ampelatana ny zandary izay notarihiny Cdt Compagnie Antsohihy Kapiteny Tobiasy Andriantsihoarana .

Mitohy ny hetsika fampandrian-tany ‚ manamafy ny maha namanatsika an’ireo Zandary ny Komandin’ny vondron-tobim-paritra Antsohihy ka tsy tokony hisalasala hiantso ny laharana 034 14 005 44 raha misy tranga hafahafa amin’ny toerana misy atsika any.

Zarao :
Omeo naoty ny lahatsoratra

contact@presse-aboahoankiaka.mg

-

Leave A Comment