a
FandraisanaVaovaom-paritraANTSOHIHY : MATY VOATIFITRY ZANDARY I RABENY MPANGALATRA OMBY SADY MPISAKAN-DALANA AMIN’NY LALAM-PIRENENA FAHA-06

ANTSOHIHY : MATY VOATIFITRY ZANDARY I RABENY MPANGALATRA OMBY SADY MPISAKAN-DALANA AMIN’NY LALAM-PIRENENA FAHA-06

ANTSOHIHY : MATY VOATIFITRY ZANDARY I RABENY MPANGALATRA OMBY SADY MPISAKAN-DALANA AMIN’NY LALAM-PIRENENA FAHA-06

 Efa ela no nikarohana an’i RABENY fanta-daza amin’ny halatra omby sy fisakanan-dalam-pirenena ary fandravana ireo mpiantsena . Nidina ifotony ary nanao velampandrika hisaborana azy ny zandary tarihiny Kapiteny Tobiasy komandy ny vondron-tobim-paritra Antsohihy ‚ ny 08 Martsa 2023 ‚ rehefa nahazo vaovao maripototra tamin’olona tsara sitrapo.

Nafana ny fifanjevoana ka voatery nampiasa fitaovana teny ampelatanany ny zandary ka lavo teo amoron-dranomasina Tsinjomorona i RABENY . Ity farany moa voalaza fa anisan’ireo tompon’antoka tamin’ny fitifirana sy fanafihina fiara fitateram-bahoaka teo amin’ny Pont DOROA kaominina Anahidrano ‚ izay nandratra mpamily sy nahaverezana vola 1 Tapitrisa Ariary ary nahavaky fitaratra ‚ nanamba ilay fiara ny taona 2021 . Efa nisazy matetika izy saingy tafavoaka hatrany raha ny fanazavana ka izao izy maty voatifitra izao.

 Mitohy ny ezaka ho tombontsoam-bahoaka ary mba hisiany fandriampahalemana ato amin’ny Distrika Antsohihy sy Analalava ary Bealanana ‚ faritra Sofia ‚ hoy ny fanazavana voaray avy eo anivon’ny zandary.

Zarao :
Omeo naoty ny lahatsoratra

contact@presse-aboahoankiaka.mg

-

Leave A Comment