a
FandraisanaVaovaom-paritraANTSOHIHY : MATY VOATIFITRY ZANDARY I FRANCISCO DIT ZAMAN’I SIGARA EFA MPAMERINKELOKA

ANTSOHIHY : MATY VOATIFITRY ZANDARY I FRANCISCO DIT ZAMAN’I SIGARA EFA MPAMERINKELOKA

ANTSOHIHY : MATY VOATIFITRY ZANDARY I FRANCISCO DIT ZAMAN’I SIGARA EFA MPAMERINKELOKA

Mandrebireby vahoaka eny ifotony fa indrindra amin’iny Distrikan’i Analalava iny i Francisco dit Zaman’i Sigara . Malaza ratsy amin’ny fanafihana sy fandravana fiara eny amin’ny lalam-pirenena faha-06 sy faha-32 iny izy ‚ voalaza fa efa nisazy saingy tafaporitsaka tao am-ponja raha ny fanazavana . Ankoatrizay dia malaza amina resaka fanolanana ihany koa izy.

Efa nandrahona ny hamono olona tamin’ny alalany fitaovam-piadiana teny ampelatanany tao Ambalafomby ‚ lasibatry ny asa ratsiny matetika ireo mpandehah salagna eo amin’ny Pont Sofia ( Betsimipoaka ) CR Marovantaza ‚ Analalava izy ka amin’ity trano fotaka ‚ mitafo bozaka ao Ambobaka ‚ kaominina Ampandriakilandy – Distrikan’i Antsohihy no fiareny miaraka amin’ny namany rehefa mafanafana ny raharaha ka nidina ifotony tany an-toerana avy hatrany ny zandary izay tarihin’ny CNE TOBIAS Andriantsihoarana ‚ rehefa nahazo loharanom-baovao marimpototra.

Raikitra ny fifandonana rehefa nahatazana zandary tonga hisambotra azy izy ka voatery nampiasa fitaovana teny ampelatanany ny zandary ‚ izao izy lavo izao tokony ho tamin’ny 05 Ora maraina ‚ ny 11 Septambra 2022 . Natolotra ny fokonolona ny razana mba halevina rehefa vita fitsirihana nataony mpitsabo ary nodorana ny trano fieren’izy ireo aveo.

Mitohy ny ezaka amin’ny fampandrian-tany ary mankasitraka ny vahoaka izay matoky zandary ka manome loharanom-baovao marimpototra ‚ hoy ny Kapiteny Tobias Andriantsihoarana ‚ komandin’ny vondrontobim-paritra Antsohihy.
_______________________________
Aboaho Ankiaka ® JDR News.
Zarao :
Omeo naoty ny lahatsoratra

contact@presse-aboahoankiaka.mg

-

Leave A Comment