a
FandraisanaVaovaom-paritraANTSOHIHY : MATY VOATIFITRA TAO ANTSARARIBAO I SIRAMA MPANAKAN-DALANA SY MANAFIKA FIARA AMIN’NY LALAM-PIRENENA MIARAKA AMIN’NY FITAOM-PIADIANA

ANTSOHIHY : MATY VOATIFITRA TAO ANTSARARIBAO I SIRAMA MPANAKAN-DALANA SY MANAFIKA FIARA AMIN’NY LALAM-PIRENENA MIARAKA AMIN’NY FITAOM-PIADIANA

ANTSOHIHY : MATY VOATIFITRA TAO ANTSARARIBAO I SIRAMA MPANAKAN-DALANA SY MANAFIKA FIARA AMIN’NY LALAM-PIRENENA MIARAKA AMIN’NY FITAOM-PIADIANA

Fiara mpitatitra entana no voatafika andro vitsy lasa izay ‚ lasa tamin’izany ny vary sy kafe amin’ny gony ka volon-taraina ny mpamily sy tompon’entana . Lalam-pirenena faha-06 ‚ eo anelanelany Antanambao avaratra sy Antsararibao izay misy lalan-dratsy no nisiany tranga io . Nandray fepetra sy nanao fanadihadiana ary nidina ifotony ny zandary ao amin’ny vondron-tobim-paritra Antsohihy ‚ izay tarihiny Kapiteny Tobiasy raha nandre ny fitarainana ka nahazo loharanom-baovao marompototra avy amin’ny olona tsara sitra-po manodidina iny toerana.

Nanano sarotra ny fisamborana satria nitifitra tamin’ny amin’ny basy fampiasainy ireo olon-dratsy miisa 03 ary raikitra ny fifanjevona izay nahalavo an’ingahy SIRAMA ‚ nandositra any anaty ala kosa ireo namany roa ‚ androany 14 Febroary 2023 tokony ho tamin’ny 03 Ora maraina.

 Anisan’ireo tompon’antoka tamin’ny fanafihana fiara tao Andrevorevo sy Marovantaza i SIRAMA raha ny fanazavana ‚ ankoatrany fanafihana mitam-piadiana eny amin’ny lalam-pirenena dia voalaza fa raindahiny amin’ny halatr’omby ihany koa izy ary nariam-pokonolona ‚ saingy tsy niova fa nanohy ny asa ratsiny hatrany.

 Mitohy ny fikarohana ireo namany ‚ nanome toky ny zandary fa tsy maintsy ho tratra na ho ela na ho aingana . Nanamafy rahateo Kapiteny Tobiasy fa hanamafy ny hetsika ‚ mba tsy hisiany fanararaotana amin’izao fotoam-pahavaratra sy fiatrehana ny fifidianana izao . Miantso ny rehetra araka izany ny zandary mba hanamafy ny fiarahamiasa afahana mamongotra ny asan-dahalo.

Zarao :
Omeo naoty ny lahatsoratra

contact@presse-aboahoankiaka.mg

-

Leave A Comment