ANTSOHIHY : MANJOMBONA NY RAHONA
Ny tolakandro teo no nigadona teto Antsohihy ny nofo mangatsikan’itompokolahy ANTOINE dit LEBOJO ; vady andefomandrin’ny Ramatoa ASSIMINE ( Filoham-boninahitry ny fikambanana VEHIVAVY TIA FANDROSOANA SOFIA ) ; Ray niteraka an’ny mpanakanto VANEY’S.
Nitsena teny amin’ny Mokonazibe Anjiabe ( Toerana misy Pilone ) sady nanontrona ary nankahery ny fianakaviana ny Jeneraly Lylyson‚ Governoran’ny faritra Sofia sy Naryson Roch Léopold ‚ Lehiben’ny Prefektiora Antsohihy izay nitarika ireo lehiben’ny sampandraharaha ato amin’ny faritra Sofia . Tazana teny ihany koa ny solombavam-bahoaka voafidy teto Antsohihy Rémi dit Jao Jean sy ny solombavam-bahoaka voafidy tao Analalava Djaossera Irénée ary ny vahoaka maro . Andrasana amin’ny tranony ao Ankiririky ny nofo mangatsikany.