ANTSOHIHY : MANDEHA NY RAHARAHAM-PITSARANA MOMBA ILAY POLISY NANGALATRA MOTO-NY POLISY NAMANY
Very tao amin’ny Biraom-paritry ny filaminam-bahoaka ny alin’ny 15 hifoha 16 Febroary 2023 teo ny moto marika DF – 150 an’ny Polisy nanao fiambenana tamin’io fotoana io . Nametraka fitarainana ny tompony ary raikitra ny fikarohana teto Antsohihy sy ny manodidina.
Tongotra vakivaky izy ity sady maharary no mahamenatra ‚ ary manala-baraka ny polisy izy ity fa tsy misy olona ambonin’ny lalàna eto ‚ hoy ny Talem-paritry ny filaminam-bahoaka Sofia ‚ raha nanontanianay . Anisany Ray aman-dReny manana ny maha izy azy sy traikefa amin’ny fitaizana sy fanabeazana ireo ambany fifehezany ity talem-paritra ity fa tojo ny sonjo iray lohasaha ‚ tsy ialaozany izay marara.
Omaly 09 Martsa 2023 no nakarina fampanoavana ny raharaha ‚ nahiditra am-ponja vonjy maika ireo sivily telo voarohirohy . Mbola miandry fankatoavan’ny minisitry ny filaminam-bahoaka kosa ny fanenjehana ilay polisy araka ny SATA sy lalàna mifehy ny polisim-pirenena dia tsy maintsy mahazo fankatoavana avy amin’ny minisitry ny filaminam-bahoaka vao afaka enjehina ny Polisy raha tsy tratra ambodiondry.
Nanamafy ny lehiben’ny fampanoavana ao amin’ny fitsarana ambaratonga voalohany Antsohihy ‚ Ramorasata Jessé fa tsy misy ambonin’ny lalàna eto ‚ efa lasa ny taratasy fangatahana fahazahoan-dalana manenjika ilay Polisy ka andrasana ny valiny ary mitohy ny raharaham-pitsarana momba azy aveo.
Andrasany maro araka io fankatoavana fanenjehana atao amin’ny Polisy voarohirohy amin’ny halatra moto io mba hisian’ny fitoviana eo amin’ny fampiharan-dalàna.