a
FandraisanaVaovaom-paritraANTSOHIHY : LEHILAHY IRAY HITA FATY TEO AMPOVOAN’NY SERANAM-PIARAMANIDINA

ANTSOHIHY : LEHILAHY IRAY HITA FATY TEO AMPOVOAN’NY SERANAM-PIARAMANIDINA

ANTSOHIHY : LEHILAHY IRAY HITA FATY TEO AMPOVOAN’NY SERANAM-PIARAMANIDINA

Hatairana no nandrenesan’ny fianakaviana fa nindaosim-pahafatesana tampoka teo amin’ny seranam-piaramanidina ( piste ) Antsohihy ity Raim-pianakaviana 61 taona ‚ nikasa ho any amin’ny fokontany Amboroho kaominina Ampandriakilandy ny maraina teo.

Vatana mangatsikany ‚ niampatra teo afovoan’ny seranam-piaramanidina no nanaitra ny olona ka nampilaza ny manodidina miaraka amin’ny fianakaviana ary ny mpitandro filaminana . Nifoha maraina tokony ho tamin’ny 04Ora izy ‚ nilaza ho any Amboroho saingy izao tra-doza tampoka izao . Tsy nahitana ratra na tova afaka fa fahafatesana voajanahary no nahazo azy raha ny fanazavana voaray avy amin’ny manampahefana ‚ nidina ifotony nanao ny fitsirihana.
🙏 Mankahery ny fianakaviana 🙏
______________________________
Aboaho Ankiaka ® JDR News.
Zarao :
Omeo naoty ny lahatsoratra

contact@presse-aboahoankiaka.mg

-

Leave A Comment