a
FandraisanaVaovaom-paritraANTSOHIHY : LASANY JIOLAHY NY ENTANA LAFO VIDY TAO AMIN’NY TOERAM-PIASANY RICO‼️

ANTSOHIHY : LASANY JIOLAHY NY ENTANA LAFO VIDY TAO AMIN’NY TOERAM-PIASANY RICO‼️

ANTSOHIHY : LASANY JIOLAHY NY ENTANA LAFO VIDY TAO AMIN’NY TOERAM-PIASANY RICO‼️

Varavaran-kely midanadana ‚ trano mikorontana sy toerana fitoeran’entana babangoana no nivantaniny Rico ‚ Tovolahy mpanamboatra ordinateur ‚ téléphone portable sady mivarotra accessoires ao Ambalabe Est akaiky ny parkazin’ny BUS ‚ kaominina ambonivohitry Antsohihy ‚ androany 05 April 2023.

Nisy namaky tamin’ny alina ity toeram-piasana ity ka lasa avokoa ny entana lafo vidy rehetra tao anatiny : ordinateur ‚ téléphone ‚ accessoires maro . Nofantenan’izy ireo mihitsy ny entana ‚ tsy nalainy ireo téléphone sy ordinateur simba ‚ hoy ny fanazavana . Nopoahan’ireo tsy mataho-tody avy any ambony ny tafo fanitso aveo niditra mora izy ireo ‚ naka ireo entana lafo vidy aveo nivoaka tamin’ny varavaran-kely ny talata 04 April hifoha ny Alarobia 05 April 2023.

Miverina sy nahazo vahana tatoato ny vaki-trano ary efa maro ny olona mitaraina ho lasibatra ‚ raha tsy hilaza afa tsy ny toeram-pisotroana ( BAR ) eo akaiky ny paositra Malagasy.

Zarao :
Omeo naoty ny lahatsoratra

contact@presse-aboahoankiaka.mg

-

Leave A Comment