a
FandraisanaSosialyANTSOHIHY : HANJELAJELATRA NY TANÀNA

ANTSOHIHY : HANJELAJELATRA NY TANÀNA

ANTSOHIHY : HANJELAJELATRA NY TANÀNA

 Mba afahana mampamirapiratra ny tanànan’i Antsohihy ‚ renivohitry ny faritra Sofia dia nandefa hiraka nanatitra Jiro mazava ( lampadaire ) miisa 60 ny ministeran’ny angovo sy akoran’afo hoan’ny Distrikan’Antsohihy . Efa tonga avokoa ireo entana rehetra ireo ary efa noraisin’ny Governoran’ny faritra Sofia sy ny Solombavam-bahoaka voafidy teto Antsohihy ‚ Rémi dit Jao Jean izany ny arivan’ny 16 septambra 2022 teo.

Hanomboka tsy hoela araka izany ny fanapariahana izany manerana ny kaominina 13 mandrafitra ny Distrika ‚ nankasitraka ny fitondram-panjakana ny Solombavam-bahoaka . Ho tonga amin’ny volana Oktobra 2022 izao kosa hoan’ny Distrika hafa ( Bealanana ‚ Mandritsara ‚ Analalava … ) Hoy ny Governoran’ny faritra.
_______________________________
Aboaho Ankiaka ® JDR News.
Zarao :
Omeo naoty ny lahatsoratra

contact@presse-aboahoankiaka.mg

-

Leave A Comment