a
FandraisanaVaovaom-paritraANTSOHIHY : FAKO MIPARITAKA ERANY ARABE SY MAMENO LALAN-DRANO▪️NY KAOMININA SY NY MPITONDRA IHANY NO MAHAZO TSINY

ANTSOHIHY : FAKO MIPARITAKA ERANY ARABE SY MAMENO LALAN-DRANO▪️NY KAOMININA SY NY MPITONDRA IHANY NO MAHAZO TSINY

ANTSOHIHY : FAKO MIPARITAKA ERANY ARABE SY MAMENO LALAN-DRANO▪️NY KAOMININA SY NY MPITONDRA IHANY NO MAHAZO TSINY

 Tsy takona afenina fa toy izao ny zava-misy ao Tsaramandroso ‚ fidinana makany amin’ny “BAR le copain d’abord ” fokontany Ambalabe Est Antsohihy . Mivangongo eo ivelan’ny daba ny fako.

Mba hisiany fahadiovan’ny tanàna dia miezaka amin’ny fanadiovana ireo lalan-drano tsentsina noho ny fako ary manadio lalana isan’andro na fotoam-pahavaratra aza ny kaominina Ambonivohitry Antsohihy ary mametraka ireo dabam-pako eny anivon’ny fokontany dia tsikaritra fa toy ny asa talata ‚ tsy hita taratra noho ireto tranga ireto.

 Arakaraka ny ezaka ataony kaominina no mampitombo ireo fako mivangongo eny amin’ny arabe ary hita taratra amin’ny fiainana andavan’andro ihany koa fa lalan-drano diova androany ‚ efa feno fako rahampitso ka miparitaka erany arabe izany rehefa avy ny orana ‚ anisan’izany ny manamorona ny lalam-pirenena faha-06 ‚ manodidina ny Sekolim-pinoana sy fiangonana katolika iny . Ankoatrizay ihany koa ‚ arakaraka ny hametrahana dabam-pako amin’ny toerana iray no mahabetsaka ireo fako mivangongo manodidina azy ‚ ohatra amin’izany ny dabam-pako napetraka teo akaikin’ny Biraon’ny zandary Ambalabe Ouest ( izay nisy fanadiovana isaka ny sabotsy fa niala maina ireo tanora fa tsy nadio teny ) ‚ ny dabam-pako napetraka teo akaikin’ny renirano DRAWA sy Parking Ambalabe Ouest ‚ ny ao Bazaribe akaikin’ny BOA ary ity napetraka eto Tsaramandroso ity.

 Feno fako mivangongo manodidina ireo toerana voalaza fa misy dabam-pako ireo ary manary fako ny kaominina isa-maraina ‚ miato kely kosa izany raha sendra misy fahasiban’ny fitaovana izay tsy maharitra raha ny fahitana azy ‚ tehiteny aho hoe “ miasa ny kaominina ”.

Manoloana izany ‚ tsy hanome tsiny na iza n’a iza sy tsy hikaroka hoe Iza no nanary fako ivelany daba na koa anaty lalan-drano aho fa miantso fahatsapan-tenan’ny tsirairay ary indrindra miantso ny fiarahamonina mba hifampitaiza amin’ny fahadiovana sy fanadiovana ny manodidina fa izany no antoky ny fahasalamana ary lalana hirosoana amin’ny fivoarana sy fampandrosoana ny tanàna izay reharentsika rehetra ‚ hoy ny olom-pirenena iray naneho ny heviny ‚ momba ireo fako mivangongo ivelany daba sy anatin’ny lalan-drano.
_____________________________
Aboaho Ankiaka ® JDR News.
Zarao :
Omeo naoty ny lahatsoratra

contact@presse-aboahoankiaka.mg

-

Leave A Comment