ANTSOHIHY : FAKO MIPARITAKA ERANY ARABE SY MAMENO LALAN-DRANO▪️NY KAOMININA SY NY MPITONDRA IHANY NO MAHAZO TSINY
Tsy takona afenina fa toy izao ny zava-misy ao Tsaramandroso ‚ fidinana makany amin’ny “BAR le copain d’abord ” fokontany Ambalabe Est Antsohihy . Mivangongo eo ivelan’ny daba ny fako.
Mba hisiany fahadiovan’ny tanàna dia miezaka amin’ny fanadiovana ireo lalan-drano tsentsina noho ny fako ary manadio lalana isan’andro na fotoam-pahavaratra aza ny kaominina Ambonivohitry Antsohihy ary mametraka ireo dabam-pako eny anivon’ny fokontany dia tsikaritra fa toy ny asa talata ‚ tsy hita taratra noho ireto tranga ireto.
Arakaraka ny ezaka ataony kaominina no mampitombo ireo fako mivangongo eny amin’ny arabe ary hita taratra amin’ny fiainana andavan’andro ihany koa fa lalan-drano diova androany ‚ efa feno fako rahampitso ka miparitaka erany arabe izany rehefa avy ny orana ‚ anisan’izany ny manamorona ny lalam-pirenena faha-06 ‚ manodidina ny Sekolim-pinoana sy fiangonana katolika iny . Ankoatrizay ihany koa ‚ arakaraka ny hametrahana dabam-pako amin’ny toerana iray no mahabetsaka ireo fako mivangongo manodidina azy ‚ ohatra amin’izany ny dabam-pako napetraka teo akaikin’ny Biraon’ny zandary Ambalabe Ouest ( izay nisy fanadiovana isaka ny sabotsy fa niala maina ireo tanora fa tsy nadio teny ) ‚ ny dabam-pako napetraka teo akaikin’ny renirano DRAWA sy Parking Ambalabe Ouest ‚ ny ao Bazaribe akaikin’ny BOA ary ity napetraka eto Tsaramandroso ity.
Feno fako mivangongo manodidina ireo toerana voalaza fa misy dabam-pako ireo ary manary fako ny kaominina isa-maraina ‚ miato kely kosa izany raha sendra misy fahasiban’ny fitaovana izay tsy maharitra raha ny fahitana azy ‚ tehiteny aho hoe “ miasa ny kaominina ”.