ANTSOHIHY : ENTANA HALATRA MARO▪️SARONA TAO AN-TRANON’NY PASITERA
Betsaka ny fitarainana azony zandary momba ny vaki-trano misy eto Antsohihy fa indrindra ao amin’ny sektera Ambalapamba ary Lehilahy fantatra amin’ny anarana PASITERA no voalaza ho mpanao izany.
Nisy araka izany ny paik’ady napetraky ny zandary amin’ny fisamborana ity rangahy efa malaza ratsy mipetraka ao Ambodimabibo ‚ fokontany Matsaboribe kaominina Ampandriankilandy Distrika Antsohihy . Niroso tamin’ny fidinana ifotony sy fisavana trano rehefa nahazo taratasy fahazahoan-dalana hanao izany tamin’ny lehiben’ny fampanoavana ka entana halatra maro ( Ordinateur ‚ Convertisseur ‚ panneau solaire ‚ carreaux ( ao anaty baritra maromaro ) ‚ finday maro ‚ bafle vaventy ‚ lambam-pandriana sy lay (4 porte) sns ) izay halatra avokoa ny ankamaroany no sarona tamin’izany ‚ tsy tratra tao kosa izy.