a
FandraisanaVaovaom-paritraANTSOHIHY : BASY POLETA VITA GASY MIISA 04▪️SARONA TAO ANATY SAKOSIN’NY MPANDEHA IRAY HO ANY ANTONIBE‼️

ANTSOHIHY : BASY POLETA VITA GASY MIISA 04▪️SARONA TAO ANATY SAKOSIN’NY MPANDEHA IRAY HO ANY ANTONIBE‼️

ANTSOHIHY : BASY POLETA VITA GASY MIISA 04▪️SARONA TAO ANATY SAKOSIN’NY MPANDEHA IRAY HO ANY ANTONIBE‼️

Nidina ifotony tao amin’ny toeram-piantsonana fiara mandeha Antonibe avy hatrany ny zandary avy ao amin’ny Vondrontobim-paritra Antsohihy rehefa nahazo vaovao tamin’olona tsara sitrapo‚ momba ny fisian’olona mitondra basy vita gasy ka hanaparitaka izany any Antonibe. Efa teo ampiomanana andeha no nataon’ny zandary ny fisavana entan’ireo mpandeha ka tamin’izany no nahitana sakosy iray an’ny mpandeha izay tsy mbola tonga noho ny antony tsy fantatra‚ androany 12 Jona 2023.

Nohentina namonjy birao ilay sakosy ary nosavaina. Tamin’izany no nahitana basy poleta vita gasy miisa 04‚ mitovy basy fampiasain’ireo dahalo mpanao fanafihina sy mandrava omby any Ambanivohitra izy ireo ary ahiana hoentina Haparitaka amin’ny dahalo any Ambanivohitra na ampanofana ireo basy poleta vita gasy ireo. Nisy kara-panondro sy kiraro kiranila iray niaraka tamin’izy ireo anaty sakosy.

Ao anaty fandraisana andraikitra ny zandary ary efa nisy ny fepetra noraisina manoloana izany ho fitandroana ny filaminana sy fandriampahalemana mialoha sy mandritra ary aorian’ny fetim-pirenena‚ araka ny fanazavana.

Zarao :
Omeo naoty ny lahatsoratra

contact@presse-aboahoankiaka.mg

-

Leave A Comment