a
FandraisanaSosialyANTSOHIHY – ANJIAMANGIRINA : EPP PHILIBERT TSIRANANA SIMBAN’NY RIVO-DOZA ▪️ NANOLOTRA 04 TAPITRISA ARIARY ‚ HANARENANA AZY MPANAKANTO VANEY’S

ANTSOHIHY – ANJIAMANGIRINA : EPP PHILIBERT TSIRANANA SIMBAN’NY RIVO-DOZA ▪️ NANOLOTRA 04 TAPITRISA ARIARY ‚ HANARENANA AZY MPANAKANTO VANEY’S

ANTSOHIHY – ANJIAMANGIRINA : EPP PHILIBERT TSIRANANA SIMBAN’NY RIVO-DOZA ▪️ NANOLOTRA 04 TAPITRISA ARIARY ‚ HANARENANA AZY MPANAKANTO VANEY’S

Tsy niandry ela fa namaly ny fangatahan’ireo vahoaka tao Anjiamangirina amin’ny fanarenana ny sekoly nianaran’ny filoha Philibert Tsiranana tao Anjiamangirina na EPP PHILIBERT TSIRANANA ‚ izay simba nandritra ny fandalovan’ny rivo-doza Cheneso . Lela-vola 04 Tapitrisa Ariary ( 20 000 000 Fmg ) no natolony omaly 08 Martsa 2023 tao Anjiamangirina.

Vakoka ‚ mitahiry tantara ary reharehan’ny faritra Sofia ny fisian’ny EPP Philibert Tsiranana ‚ izay nianaran’ny filoham-pirenena voalohany sady Rain’ny fahaleovan-tena . Mendrika ho karakaraina ‚ kobabigny ‚ ary tsy mahafatiantoka ny fanaovana izany . Amin’ny maha zanaky ny faritra Sofia zaho dia mitondra izay anjara birikiko ‚ androny vehivavy rahateo androany ka atolotro ampitiavana ity vola hanarenana fotodrafitrasa sekoly simba ity mba afahan’ireo ankizy mahazo fanabeazana sy fampianarana amin’izay tsy rebireben’olona sady reharehan’ny fiarahamonina ary firenena sahala amin’ny Ray aman-dRenintsika Filoha Philibert Tsiranana ‚ hoy mpanakanto Vaney’s Harinomenjanahary vadin’ny Solombavambahoaka voafidy teto Antsohihy nitondra fanampiana fanarenana EPP Philibert Tsiranana omaly . Nandray vola sady nitondra teny fisaorana ny talen-tsekoly teo anatrehan’ny vahoaka maro.

Nijoro hatramin’ny taona 1901 ity sekoly ity ary efa tafo satrana izy hatramin’izay ka hatramin’izao ary tsy azo ovaina tafo fanitso na izany mba hitazonana ny endriny hatrizay . Nanomboka tamin’ny taona 1922 no nianatra tao ny Filoha Philibert Tsiranana ‚ mbola zazakely izy tamin’izany ary tamin’ny taona 1993 no nomena anarana EPP Philibert Tsiranana ity sekoly manan-tantarany manokana ity.

Zarao :
Omeo naoty ny lahatsoratra

contact@presse-aboahoankiaka.mg

-

Leave A Comment