a
FandraisanaVaovaom-paritraANTSOHIHY : ANGATRA MITADY VADY▪️MPAMPIHOROHORO VAHOAKA‼️

ANTSOHIHY : ANGATRA MITADY VADY▪️MPAMPIHOROHORO VAHOAKA‼️

ANTSOHIHY : ANGATRA MITADY VADY▪️MPAMPIHOROHORO VAHOAKA‼️

 Mahoraka eto Antsohihy ny fisian’ny masantôko ‚ Boribe na angatra ‚ mitady vadiny ka mandondona tranon’olona ary midaroka rehefa tafiditra an-trano . Voalaza fa tany Befotaka avaratra no nanomboka nitady vady io angatra na masantôko io ka tonga aty Antsohihy . Tsy mahay mahay miresaka ilay angatra fa mahay mamaky teny kosa ka izany no antony ametrahan’olona ilay soratra isam-baravarana « TSY ATO VADINAO FA LASA ANY… » . Amin’izao maro ny olona mihorohoro sy matahotra vokatr’izany resaka miely izany.

 Hatreto ‚ tsy mbola nanamarina ny fisian’io tranga io ny Ben’ny tanàna voafidy tao Befotaka avaratra ary lazainy fa tsaho iniana aparitaka mba hanakorontanana saim-bahoaka izany . Nitondra fanazavana ihany koa ny lefitry ny lehibeny fokontany ao Ankiririky Nord ‚ fa efa feno soratra io ny varavarana sy vavahadin’olona ao Analamanga fokontany Ankiririky Nord ‚ saingy tsy mbola nahazo fitarainana momba olona voadaroka na nisehoan’ny tranga hafahafa momba io resaka miely io.

Tokantrano maro no nisafidy tsy hampiditra olona mandondona ny tranony rehefa arivariva na alina nanomboka omaly 22 Martsa 2023 teto Antsohihy ary efa ahitana ity soratra ity ihany koa hatramin’ny vavahadin’ny sekoly.

Zarao :
Omeo naoty ny lahatsoratra

contact@presse-aboahoankiaka.mg

-

Leave A Comment