a
FandraisanaVaovaom-paritraANTSIRABE : NIREFODREFOTRA NY TIFITRA BOMBA MANDATSA-DRANOMASO‼️

ANTSIRABE : NIREFODREFOTRA NY TIFITRA BOMBA MANDATSA-DRANOMASO‼️

ANTSIRABE : NIREFODREFOTRA NY TIFITRA BOMBA MANDATSA-DRANOMASO‼️

Voasakana indray ny antoko politika TIM ( Tiako i Madagasikara ) izay tarihin’ny filoha teo aloha Marc Ravalomanana‚ raha mikasa hamory olona ao amin’ny Magro Avaratsena Antsirabe androany 17 Jona 2023.

Tifitra bomba lakrimozenina no nitsenan’ireo mpitandro filaminana ny vahoaka izay miaraka amin’ny antoko politika TIM‚ ka misy ireo torana tsy nahazaka izany‚ misy koa ireo izay naratra.

Misy ve ny demokrasia eto Madagasikara ? Hoy ny filoha teo aloha Marc Ravalomanana nametra-panontaniana. Fihantsiana tahaka izao no naharomotra ny mpitarika MIHAVA TOUR ka nahatonga ireny fihetsika nataon’ny Depiote Siteny Randrianasoloniaiko tany Morondava ireny‚ hoy ny olom-pirenena sasany maneho ny heviny.

Tsiahivina ihany fa nametraka fitoriana ilay zandary voatosik’i Depiote Siteny ka nitontona tamin’ny tany tao Morondava ary efa mandeha ny fanadihadiana araka ny fanambarana nataon’ny Jeneraly Komandy ny Zandarimariam-pirenena.

Zarao :
Omeo naoty ny lahatsoratra

contact@presse-aboahoankiaka.mg

-

Leave A Comment