a
FandraisanaVaovaom-paritraANTSIRABE CENTRE – MANDRITSARA : ZANDARY NANDAMINA MPIVADY NIADY▪️ NARATRA MAFY VOAFIRA TEO AMIN’NY LOHANY SADY TAPA-TÀNANA‚ MATY VOATIFITRA KOSA ILAY RANGAHY‼️

ANTSIRABE CENTRE – MANDRITSARA : ZANDARY NANDAMINA MPIVADY NIADY▪️ NARATRA MAFY VOAFIRA TEO AMIN’NY LOHANY SADY TAPA-TÀNANA‚ MATY VOATIFITRA KOSA ILAY RANGAHY‼️

ANTSIRABE CENTRE – MANDRITSARA : ZANDARY NANDAMINA MPIVADY NIADY▪️ NARATRA MAFY VOAFIRA TEO AMIN’NY LOHANY SADY TAPA-TÀNANA‚ MATY VOATIFITRA KOSA ILAY RANGAHY‼️

Nisy mpivady niady tao Antsirabe Centre, distrikan’i Mandritsara ny alarobia 31 Mey 2023 tokony ho tamin’ny 09 Ora alina teo. Tsy fantatra mazava izay tena fototry ny olana fa nohenjehin-drangahy tamin’ny antsibe ny ramatoa vadiny‚ Tsy nisy sahy nanakana n’a niditra an-tsehatra ny mpiara-monina fa nitazana sy niantso zandary.

Tonga ara-potoana ny zandary‚ ary niezaka nandamina. Ilay rangahy hikapa ny vadiny tamin’ny antsibe iny no nosamborin-drasefo ka nifafatra taminy ilay antsy‚ voafira teo amin’ny handriny no sady tapa-tànana ilay zandary‚ nitifitra avy hatrany ireo namany ka maty tsy tra-drano niantefan’ny bala ilay rangahy‚ nohentina namonjy toeram-pitsaboana kosa ilay zandary naratra mafy araka ny fampitam-baovao voaray.

Zarao :
Omeo naoty ny lahatsoratra

contact@presse-aboahoankiaka.mg

-

Leave A Comment