a
FandraisanaVaovaom-paritraANTANANARIVO : NOFO MANGATSIKAN’NY MIARAMILA TELO ‚ HITA NITSINGEVANA TAO AMIN’NY RANON’IKOPAKA

ANTANANARIVO : NOFO MANGATSIKAN’NY MIARAMILA TELO ‚ HITA NITSINGEVANA TAO AMIN’NY RANON’IKOPAKA

ANTANANARIVO : NOFO MANGATSIKAN’NY MIARAMILA TELO ‚ HITA NITSINGEVANA TAO AMIN’NY RANON’IKOPAKA

 Nisesisesy ny fanafihana mitam-piadiana mahery vaika ao an-drenivohitry Madagasikara . Tsy misy tahotra na henatra intsony ireo jiolahy fa hatramin’ny antoandro ‚ amin’ny toerana be olona miantsena no hanaovana fanafihana ka amoizana vola be sy ain’olona izany . Santionany amin’izany ‚ Lehilahy iray nitondra vola be tamin’ny sakaosy ‚ maty voatifitry teo Behoririka omaly 29 Desambra 2022 . Tsy vao sambany fa efa mateti-pitranga ao an-drenivohitry izany fanafihana mitam-piadiana mahery vaika izany fa ity iray ity no tena nampivarahontsana olona maro.

Omaly 29 Desambra 2022 tokony ho tamin’ny 11Ora maraina ihany koa no vao hita natsingevan’ny ranon’Ikopa ny nofo mangatsikan’ireo olona telo lahy voalaza fa nandositra avy any Itaosy ka maty natelin’ny rano . Miaramila avokoa ireto telolahy maty ireto ‚ Mandeha ny fanadihadiana momba izany ‚ miely ihany koa ny vaovao milaza voarohirohy tamin’ny fanafihana Cashpoint tao Ambonisoa Bemasoandro izy ireo ka vaky nandositra rehefa nisavoritahan’Andrimasom-pokonolona? izao maty natelin’ny rano izao?

Eo anatrehan’izany ‚ nanao fanambarana ‚ manameloka ny fitsaram-bahoaka sy famonoana miaramila ny Ministeran’ny Fiarovam-pirenena . Mirary fiononana feno ary mankahery hoan’ny fianakaviana namoy ny ainy.
_____________________________
Aboaho Ankiaka ® JDR News.
Zarao :
Omeo naoty ny lahatsoratra

contact@presse-aboahoankiaka.mg

-

Leave A Comment