ANTANAMBAO MANAMPOTSY : OLONA TELO TRATRA NANGALATRA TAOLAM-PATY▪️MATY NIHARANY HATEZERAM-BAHOAKA
Olona efatra 04 no volazan’ny fokonolona fa tratra nangalatra taolam-paty tao Antanambao Manampotsy androany 29 Septambra 2022 . Roa tamin’izy ireo tratra ambodiomby raha tafaporitsaka kosa ny roa hafa izay naman’izy ireo.
Novonon’ny fokonolona tsy nasiana antra avy hatrany ny iray tamin’ireo tratra ambodiomby ‚ mbola nohadihadiana nanontaniana ireo namany kosa ny iray izay nanondro mpandraharaha iray efa malaza ratsy amin’ny resaka halatra taolam-paty ao an-tanàna . Novonoina nampanarahina ny namany ilay rangahy rehefa nilaza ireo ekipany mpanao afera maizina aminy.
Raikitra ny fikarohana ilay mpandraharaha teny an-tranony saingy tsy tratra tao izy fa lasa nandositra ‚ norobain’ny fokonolona ny fananany ary nanohy ny fanarahan-dia ireo olona roa tafaporitsaka ny fokonolona sasany aveo.
Tratra ny iray tamin’izy roa tafaporitsaka ka maty novonon’ny fokonolona raha mbola karohina ny iray hafa ‚ miaraka amin’ilay mpandraharaha iray voatonona ho mpiaramiasa amin’izy ireo manao ny afera maloto.