ANTANAGNAMBO ‚ CR MAROALA – ANTSOHIHY : MANOTOHOTO OLONA I JAONARY SY NY DINANY
Ny taona 2018 no tsikaritr’ireo fokonolona ao Antanagnambo ‚ kaominina Maroala Distrikan’i Antsohihy fa nahitana mpitandro filaminana farany tany an-toerana ‚ manjaka araka izany ny ramatahora sy fanararaotana ataon’ireo milaza azy ho matanjaka ka mandrebireby ary manotohoto ny vahoaka ao an-tanàna ‚ i Janoary no voatondro ho lohandohany amin’ny fanaovana izany ‚ raha ny fitarainan’ny fokonolona.
Fatorany tady ‚ hosorany sakay ary avelany eo amin’ny masoandro mahamay mandrapaha hahitan’ny havany na ny fianakaviany lela-vola 400 000Ar ‚ izay tsy mifanara-kevitra aminy na voahendrikendrika na koa tratra manao hadisoana eo amin’ny fiarahamonina ao amin’ny fokontany Antanagnambo sy ny manodidina ao amin’ny kaominina Maroala ary tsy mahazo mivoaka ny tanàna na mitondra fitarainana amin’ny tompon’andraikitra ara-panjakana fa izay mikasa hanao izany dia iharany DINA ‚ hoy ireo solotenam-pokonolona nandositra avy any Antanagnambo ‚ nitantara ny zavatra niainany ka manao antso avo amin’ny fitondram-panjakana mahefa.
Santionany amin’ireo habibiana ataony ireo fa ny mahagaga rehefa ny namany na olona akaiky azy tsy ampiharan’io DINANY io fa vitavita ho azy ‚ ohatra amin’izany : tovolahy iray nasainy nanamboatra ny tranony nahatratrarana entana halatra ‚ izany hoe ‚ nisy trano vaky teo an-tanàna izay nahaverezana entana maromaro ka tratra sy hita tao an-tranon’ilay mpanamboatra tranony ‚ kanefa vitavita ho azy izany ‚ hoy hatrany ireo solotenam-pokonolona nitantara zava-misy ao Antanagnambo.