a
FandraisanaSosialyANKERIKA ‚ ANTSOHIHY : FETY BE MITALAKOTROKOTRO NO NATAONY JLY BEHIVOKA FIEDERCH

ANKERIKA ‚ ANTSOHIHY : FETY BE MITALAKOTROKOTRO NO NATAONY JLY BEHIVOKA FIEDERCH

ANKERIKA ‚ ANTSOHIHY : FETY BE MITALAKOTROKOTRO NO NATAONY JLY BEHIVOKA FIEDERCH

Na lavitra ny toerana hiasana sy nahazahoana ny laharam-boninahitra Jeneraly dia tsy azo atao ‚ ary tsy fatao ny manadino ny tanàna nihaviana na ny Tanindrazana ‚ « ao am-poko ary tsaroako hatrany ny fianakaviako sy ny tanànako dia Ankerika ‚ fa indrindra rehefa miatrika ady mafy na hisedra zavatra mafy na koa zavatra goavana eo amin’ny fiainana ka mampilaza ny fianakaviana aty Ankerika ihany aho » hoy ny Jeneraly BEHIVOKA FIEDERCH ‚ raha nandray fitenenana ‚ nandritra ny lanonana goavana sy mitalakotrokotroka nataony tao Ankerika‚ Distrikan’i Antsohihy omaly 01 Oktobra 2022.

Fety firavoravoana miaraka amin’ny fianakaviana tamin’ny nahazahoana ny fahasoavana dia ny laharam-boninahitra Jeneraly ( GÉNÉRAL DE BRIGADE ) ity natao ity . Tazana nanontrona izany ny solombavam-bahoaka voafidy tao Bealanana sy ireo manamboninahitra Jeneraly maro namany sy ireo mpiaramiasa aminy ‚ ny fianakaviana ary vahoaka maro.
✅ Miarahaba sy mirary soa azy ho tonga amin’ny Tanjona hiriana ary ho tonga amin’ny ambony indrindra.
______________________________
Aboaho Ankiaka ® JDR News.
Zarao :
Omeo naoty ny lahatsoratra

contact@presse-aboahoankiaka.mg

-

Leave A Comment