a
FandraisanaVaovaom-paritraANJONJAY AMIN’NY ORINASAN-GAZETY : NIRAOFINY FANJAKANA NY ENTANA SY FANANAN’NY « LA GAZETTE DE LA GRANDE ÎLE »‼️

ANJONJAY AMIN’NY ORINASAN-GAZETY : NIRAOFINY FANJAKANA NY ENTANA SY FANANAN’NY « LA GAZETTE DE LA GRANDE ÎLE »‼️

ANJONJAY AMIN’NY ORINASAN-GAZETY : NIRAOFINY FANJAKANA NY ENTANA SY FANANAN’NY « LA GAZETTE DE LA GRANDE ÎLE »‼️

Omaly arivan’ny 30 Martsa 2023 no tonga tao amin’ny trano misy ny “ La gazette de la grande île ” ny vaditany sy ireo mpitandro filaminana ‚ naka sy nandroaka ny fitaovana fampisan’ireo mpanao gazety ‚ fananan’ny La gazette rehetra . Azo heverina fa mijanona araka izany ny famoham-baovao sy fitateram-baovao ataon’ireo mpanao gazety ao anatin’ity orinasan-gazety ity ‚ mitombo isa ireo tsy an’asa ankehitriny ary zon’olom-pirenena maro no voahitsakakitsaka.

« Tsy mampaninona ahy raha tsy niteny sy tsy naneho hevitra ireo ao anatin’ny fitatanana ny OJM momba ny fampidirana am-ponja an’i Lola RASOHAMAHARO. Saingy raha mbola hangina sy tsy hiloa-bava kosa momba ity fandrofana ny fitaovam-piasanan’ny La Gazette de la Grande Ile ity dia heveriko fa misy asa tsy vita ao.Hatreto dia mbola orinasa an-gazety ny La Gazette de la Grande Ile ary mbola mpanao gazety ireo mpiasa ao. Raha nisy ny fihoaram-pefy tamin’ny asa an-gazety nataony dia tokony nisy taratasay fampahatsiahivana sy fampitandremana avy amin’ny OJM, ary misedra olana ireo mpanao gazety ao ankehitriny tokony mba hiditra antsehatra ny OJM . Mirary firaisankina eo amintsika mpanao gazety . Mankahery ireo mpanao gazety ao amin’ny La Gazette de la Grande Ile amin’izao zavatra manjo anareo izao » ‚ hoy ny Sekretera Jeneralin’ny holafitry ny mpanao gazety teo aloha ‚ niantso ny firaisankina ny mpanao gazety.

Fanampenam-bava ary efa didy jadona mihitsy no misy ankehitriny ka tokony ho tonga saina ny olom-pirenena tsirairay ‚ hoy ny fanehoan-kevitra ré mivoaka eny anivon’ny fiarahamonina.

Zarao :
Omeo naoty ny lahatsoratra

contact@presse-aboahoankiaka.mg

-

Leave A Comment