a
FandraisanaVaovaom-paritraANJIAJIA ANTSOHIHY : MATY VOTETITETIKA I RAVELOSON▪️MIANTSO NY MANAMPAHEFANA TSY HAMELA MORA IREO NAHAVANON-DOZA NY FIANAKAVIANA

ANJIAJIA ANTSOHIHY : MATY VOTETITETIKA I RAVELOSON▪️MIANTSO NY MANAMPAHEFANA TSY HAMELA MORA IREO NAHAVANON-DOZA NY FIANAKAVIANA

ANJIAJIA ANTSOHIHY : MATY VOTETITETIKA I RAVELOSON▪️MIANTSO NY MANAMPAHEFANA TSY HAMELA MORA IREO NAHAVANON-DOZA NY FIANAKAVIANA

 Nandriaka ny rà tao amin’ny fokontany Anjiajia ‚ kaominina Ankerika Distrikan’i Antsohihy ny alahady 18 Desambra 2022 teo ‚ fatin’itompokolahy Raveloson niampatra voatetitetika teo Antanimbary no novantanin’ny fianakaviana sy ireo zanany . Tsy mbola fantatra mazava ny antony famonoana hatreto ‚ efa nitolo-bata teny amin’ny zandary ireo olona 05 mahery nahavanon-doza ary nahiditra am-ponja vonjy maika mialohan’ny farany taona 2022 iny.

Tsy fantatray izay tena antony namonoana ny Rainay izay tsy manana disadisa na tia niady aman’olona ka mangataka ny handraisana fepetra hentitra izahay ‚ hoy ireo zanany nanao antso hoan’ny tompon’andraikitra ara-panjakana isan-tsokajiny izay mandray an-tànana ity raharaha ity.

 Miely ao an-tanàna mantsy ny feo fa hoe : telo volana ihany izy ireo ao am-ponja fa aorian’izay dia ho afaka madiodio ka handripaka ireo taraka Raveloson sy ny fianakaviany ka mivarahontsana noho ny tahotra ary manahy mafy ny mety hampiasan’ny fianakavin’ireo voafonja vola ‚ hampanginana ny raharaha eny amin’ny fitsarana.

Mbola ao anatin’ny fialantsasatra moa ny fitsarana ankehitriny ‚ andrasana ny mety ho tohin-draharaha sy ny fanazavana ny mety ho antony famonoana an’itompokolahy Raveloson izay maty voatetitetika tao Anjiajia.
_____________________________
Aboaho Ankiaka ® JDR News.
Zarao :
Omeo naoty ny lahatsoratra

contact@presse-aboahoankiaka.mg

-

Leave A Comment