a
FandraisanaKolontsaina sy TalentaANJARA TSY MIHOLAKA HOY NY NTAOLO

ANJARA TSY MIHOLAKA HOY NY NTAOLO

ANJARA TSY MIHOLAKA HOY NY NTAOLO

Tsy azontsika terena hanaraka ny sitrapontsika ny anjaran’olona ry rahalahy sy ranabavy fa rehefa anjarany io dia tsy voasakana ary tsy maintsy azony na tonga aminy na inona na inona ataontsika ‚ tsy lavitra izany ny lahatra.

Tsy voatery hanimba na hamotika olona ‚ tsy voatery hamono ‚ hamingapingana na hanaratsy olona isika vao afaka mandroso na mivoatra amin’ny fiainana fa tiavo ny namana fa olombelona tahaka atsika izy ‚ mendrika zavatra tsara ihany koa.

Ny asa sy fahaizamiaina ao anatin’ny fifankatiavana lavitry ny fiatsarambelatsihy ihany no mahatonga lavitra fa tsy fialonana namana sy famotehana azy ‚ izay tsy mora ary sarotra miala amin’ny mahazatra ‚ kanefa ny saina sy ny fo ihany ary fanahy no mibaiko io.
( Tsy miseho hendry na tampom-pahaizana fa mba tehamoaka ity sariko ity fona zah io 🥰 werawera ihany koa tsy maintsy mandeha )
Zarao :
Omeo naoty ny lahatsoratra

contact@presse-aboahoankiaka.mg

-

Leave A Comment