a
FandraisanaFampianaranaANDRY RATOLOJANAHARY : VOAFIDY FANINDROANY HITARIKA FIKAMBANANA “M.E.V.A”

ANDRY RATOLOJANAHARY : VOAFIDY FANINDROANY HITARIKA FIKAMBANANA “M.E.V.A”

ANDRY RATOLOJANAHARY : VOAFIDY FANINDROANY HITARIKA FIKAMBANANA “M.E.V.A”

 Any Toliara ‚ mianatra sy mampitombo fahalalana i Andry Ratolojanahary amin’izao ‚ taona fahatelo na 3 ème année ao amin’ny ENS ( Ecole Normale Supérieure ) izy ankehitriny . Tanora zanaka Antsohihy anisany mavitrika sy tia mandray andraikitra ary sahy miatrika ireo adidy ilana Tanora eo amin’ny fiarahamonina nanomboka taty Antsohihy ary nitohy ka hatrany Toliara ‚ porofon’izany ny mbola nirotsahany sy nahavoafidy azy fanindroany ho filoha mpitarika ireo mpianatra zanaka Antsohihy ‚ mivondrona ao amin’ny Fikambanana M.E.V.A ( Mutuelle des Étudiants Venant d’Antsohihy ) ao amin’ny Oniversiten’i Toliara.

Mitsingeringerina androany 24 Janoary 2023 ny taona nahaterahy ‚ koa miarahaba azy amin’izao nahavoafidy azy fanindroany izao ‚ miarahaba sy mirary soa azy amin’izao tsingerin-taona nahaterahy izao ‚ Enganie ho tonga amin’ny tanjona hiriana sy hitombo saina tsara ‚ fahalalana hatrany ao anatin’ny fahasalamana ho reharehan’ny firenena Malagasy ‚ indrindra Faritra izay nihaviana.
_____________________________
Aboaho Ankiaka ® JDR News.
Zarao :
Omeo naoty ny lahatsoratra

contact@presse-aboahoankiaka.mg

-

Leave A Comment