a
FandraisanaPolitikaANDRY RAOBELINA : HIJORO SY HANAVOTRA NY FIRENENA LATSAKA AN-KATERENA

ANDRY RAOBELINA : HIJORO SY HANAVOTRA NY FIRENENA LATSAKA AN-KATERENA

ANDRY RAOBELINA : HIJORO SY HANAVOTRA NY FIRENENA LATSAKA AN-KATERENA

Fantatra omaly 15 Febroary 2023 ‚ nandritra ny fotoana nanambarana ofisialy ny fitsanganan’ny antoko politika ARB ( Anjomara sy Rivo-Baovao ) fa ho anisany handray anjara amin’ny fifidianana ho Filoham-pirenena Malagasy izay hatao ny 09 Novambra 2023 izao ny antoko ‚ tarihin’Andriamatoa Andry Raobelina.

 Manana vina mazava tsara izay mifantoka sy mifototra amin’ny fanomezan-danja ny maha olombelona ny antoko ‚ mampitovy ny rehetra amin’ny lafiny fihariana ‚ fandraharahana ary fahalalàhana ara-toekarena . Ankoatrizay dia vonona hijoro sy hanavotra ny firenena izay latsaka an-katerena izy ireo araka ny fanazavana nataony.

Manomboka miseho vatana araka izany ireo mety ho kandida ho Filoham-pirenena Malagasy . Raha ity filohan’ny ARB ity no resahina tsotsotra dia efa nanao fitezam-paritra maromaro tamin’iny tapany atsimo iny mialohan’izao fanambarana ofisialy momba ny antoko izao ‚ ary toa efa nahazo tso-drano mihitsy aza tamin’ny tanàna izay nandalovany amin’ny Faritra atsimo antsinana izay misy ampanjaka iny.

Zarao :
Omeo naoty ny lahatsoratra

contact@presse-aboahoankiaka.mg

-

Leave A Comment