a
FandraisanaPolitikaANDRÉ ANDRIMPIRENENA, MPAHAY LALÀNA : MANANA ZO HIFIDY IREO VOAFONJA

ANDRÉ ANDRIMPIRENENA, MPAHAY LALÀNA : MANANA ZO HIFIDY IREO VOAFONJA

ANDRÉ ANDRIMPIRENENA, MPAHAY LALÀNA : MANANA ZO HIFIDY IREO VOAFONJA

Manoloana ny resa-be momba ny fahafahan’ireo voafonja mandray anjara amin’ny fifidianana dia nitondra fanazavana ny mpahay lalàna iray ‚ zanaky ny faritra Sofia sady Tonia mpampanoa lalàna ‚ lehiben’ny fampanoavana ao Maintirano ‚ Andriamatoa André Andrimpirenena :

Misy karazany roa ny voafonja : ireo voaheloka (izay efa voatsara ka nolazain’ny Fitsarana fa meloka) sy ireo voafonja vonjimaika (ireo voampanga ka notazonina am-ponja vonjimaika noho ny antony samihafa nefa tsy mbola voatsara).
1/-Ho an’ireo voafonja vonjimaika dia misitraka ny atao hoe « fiheverana ho tsy meloka » izy ireo: Tsy misy olona azo lazaina hoe meloka raha tsy misy didim-pitsaràna raikitra milaza izany (art 11.1° Dudh, art 14 PIRDCP, art 13 al. 8 Constitution malagasy). Noho izany manana zo feno hifidy sy ho fidiana ireo voafonja vonjimaika ireo.
2/-Ho an’ireo voaheloka:
a – Raha heloka bevava no nanamelohana azy dia tsy manana zo hifidy na ho fidiana avy hatrany ilay voafonja. Tratran’ny firodanan-jo maha-olom-pirenena izy amin’izay. Sazy « tsy misara-mandeha » io ka mihatra ho azy na dia tsy voarakitra ao anaty didim-pitsaràna aza (art 28, 34 CP)
b- Ho an’ireo voaheloka amin’ny heloka tsotra kosa dia afaka mifidy sy ho fidiana raha tsy hoe voasoratra ao anaty didim-pitsaràna mihitsy ny fandraràna. Amin’ny heloka tsotra dia fandraràna no misy ary « sazy fanampiny » io ka tsy mihatra raha tsy voarakitra ao anaty didy (art 42 CP). Tsy azo omena fahatany io sazy io raha tsy ny lalàna no manome lalana na mandidy ny hanononan’ny Mpitsara azy (art 43 CP. Ohatra ireo voalaza amin’ny art 83, 88, 91, 142, 143, 148, 150 CP sns…)
✅ Mety misy ihany anefa lalàna manokana mifehy ilay fifidianana hatao ka mametraka fepetra manokana ankoatran’io voalaza ambony io. Hoy izy tao amin’ny kaonty Facebook-ny.
LE DROIT DE VOTE ET D’ELIGIBILITE POUR LES DETENUS
Les détenus ont-ils le droit de voter ou de se porter candidat aux élections nationales ?
Il y a deux catégories de détenus : les condamnés (ceux qui ont déjà été jugés et reconnus coupables par le Tribunal ou la Cour) et les prévenus (ceux qui sont préventivement détenus en vertu d’un mandat de dépôt ou d’un billet d’écrou mais ne sont pas encore jugés).
1- Pour les prévenus, ils bénéficient ce qu’on appelle « présomption d’innocence » : un individu est présumé innocent jusqu’à ce qu’il soit déclaré coupable par un jugement devenu définitif (art 11.1 DUDH, art 14 PIRDCP, art 13 al. 8 de la Constitution malagasy). Ils ont donc le plein droit de vote et d’éligibilité.
2- Pour les condamnés:
a- Les condamnés à des peines criminelles n’ont pas le droit de vote et d’éligibilité. Ils sont frappés de la « dégradation civique ». Il s’agit d’une peine accessoire à des peines criminelles, et s’applique automatiquement même non prononcée dans le jugement (art 28 et 34 CP).
b- Les condamnés à des peines correctionelles par contre bénéficient toujours le droit de vote et d’éligibilité sauf s’ils y sont interdits par les jugements qui les condamnent. En matière correctionnelle, on parle d’interdiction aux droits civiques. Il s’agit d’une peine complémentaire, donc facultative et ne s’applique que lorsqu’elle est prononcée (art 42 CP). Par ailleurs, elle ne peut pas être prononcée que lorsqu’elle aura été autorisée ou ordonnée par une disposition particulière de la loi (art 43. Par exemple ceux qui sont prévus par les articles 83, 88, 91, 142, 143, 148, 150 CP, etc…)
L’existence des dispositions contraires prévues par des lois relatives aux élections n’est pas à exclure).
______________________________
Aboaho Ankiaka ® JDR News.
Zarao :
Omeo naoty ny lahatsoratra

contact@presse-aboahoankiaka.mg

-

Leave A Comment