a
FandraisanaVaovaom-paritraANDILAMENA : MATY VOATIFITRA I RA-MBOLA▪️LEHIBEN’NY TAMBAZOTRAN-DAHALO MPANGALATR’OMBY SADY MPAMERIN-KELOKA‼️

ANDILAMENA : MATY VOATIFITRA I RA-MBOLA▪️LEHIBEN’NY TAMBAZOTRAN-DAHALO MPANGALATR’OMBY SADY MPAMERIN-KELOKA‼️

ANDILAMENA : MATY VOATIFITRA I RA-MBOLA▪️LEHIBEN’NY TAMBAZOTRAN-DAHALO MPANGALATR’OMBY SADY MPAMERIN-KELOKA‼️

Saika mandalo ao Mandanivatsy fkt Ambodiakondro avokoa ny ankamaroan’ireo omby very avy amin’ny Distrikan’i Tsaratanana faritra Betsiboka sy avy ao Mampikony faritra Sofia ary dahalo avokoa ny ankamaroan’olona mipetraka ao raha ny fanazavana. Voatonotonona ary malaza ho lehiben’ny dahalo sady mampitaraina ny vahoaka any Andilamena sy amin’ireo Distrika mifanefitra i Rabenazafy Ernest dit RA-MBOLA‚ izay voasambotry Zandary avy ao amin’ny vondrontobim-paritra Andilamena‚ tarihin’i Kapiteny Tobiasy tao Andronahely, fkt Ambodiakondro CR Miarinarivo, distrika Andilamena.

Nanoro ny toerana fanafenana omby halatra ity farany rehefa natao famotorana savaranonando ka nihazo io toerana nolazainy io ny zandary mpanao fisafoana notarihan’ny Komandy ny Vondron-tobim-paritra Andilamena‚ niaraka taminy.

Raikitra ny fifanjevoana rehefa tafiditra tao anaty ala ao Kelimahavoky fkt Marovoalavo CR TANANAFOLOLAHY ny zandary niaraka tamin’ity mpitari-dàlana ity‚ ny dahalo mirongo fitaovam-piadiana namany rahateo efa feno nanodidina ny toerana mba hamonjy ny lehibeny sady hamono ireto zandary tarihiny Kapiteny Tobiasy ireto. Nandritra ny fifampitifirana no nahalavo an’i RA-MBOLA na efa niezaka niaro azy aza ny zandary mba hazoana ny loharanom-baovao‚ fa nanararaotra nandositra tao anatin’ny fifanjevoana izy ka maty voatifitra ary balan’ireo namany ihany no nahafaty azy. Rehefa hitan’izy ireo fa lavo ny Lehibeny dia nandositra ireto dahalo ampolony ireto mba hanavotra ny ainy. Marihina fa vao nivoaka ny fonja roa herinandro lasa izay i RA-MBOLA, noho ny halatr’omby ka izao miverina sahady amin’ny asa ratsiny izao, lasibatra voalohany tamin’izany ny Distrikan’i Tsaratanàna.

Mbola mitohy ny fanarahan-dia sy ny savahao amin’izao fotoana izao ary ny fanangonana ireo omby halatra araka ny fampitam-baovao. Mitohy ny ezaka ataon’ny zandary amin’ny fametrahana filaminana mialoha sy mandritra aorian’ny fetim-pirenena sy fiatrehana ny fifidianana.

Zarao :
Omeo naoty ny lahatsoratra

contact@presse-aboahoankiaka.mg

-

Leave A Comment