a
FandraisanaVaovaom-paritraANDILAMENA : MATY VOATIFITRA I JACQUELIN dit JAKY MENA‚ MPAMERIN-KELOKA‚ RAINDAHINY AMIN’NY HALATR’OMBY SADY MPANAO FANAFIHANA MITAM-BASY‼️

ANDILAMENA : MATY VOATIFITRA I JACQUELIN dit JAKY MENA‚ MPAMERIN-KELOKA‚ RAINDAHINY AMIN’NY HALATR’OMBY SADY MPANAO FANAFIHANA MITAM-BASY‼️

ANDILAMENA : MATY VOATIFITRA I JACQUELIN dit JAKY MENA‚ MPAMERIN-KELOKA‚ RAINDAHINY AMIN’NY HALATR’OMBY SADY MPANAO FANAFIHANA MITAM-BASY‼️

Betsaka ireo olona mivezivezy mamonjy kariera ao amin’ny fokontany Antsomangana kaominina ambanivotra Bemaitso distrika Andilamena tatoato‚ izay mandalo ny lalam- pirenena faha-03A (RN 3A). Ho fitandroana ny filaminana sy hialan’ny tebitebin-tsain’ireo vahiny tonga maro mitady ravinahitra any an-toerana dia nisy ny fisafoana tampotampoka tamin’io lalam- pirenena voalaza etsy ambony io‚ nataon’ny zandary avy ato amin’ny vondrontobim-paritra Andilamena, Tarihin’ny Kapiteny TOBIASY komandy ny vondrontobim-paritra ny alin’ny Talata faha 23 mey hifoha Alarobia 24 mey 2023 teo.

Nifanehitra tamin’ireo andian-jiolahy miisa enina, mirongo basy izy ireo teo antampoketsa anelanelan’ny Ampamoha sy Befoza fokontany ao anatin’ny CU Andilamena tokony ho tamin’ny 01 ora sy sasany maraina. Nanondro ny basiny tamin’ireo zandary ireto dahalo ireto izay nieritreritra ny handrava ny olona rehetra mifanena aminy. Ho fiarovan–tena sy hiarovana ny fitaovam-panjakana dia nampiasa ny fitaovam-piadiana teny ampelan-tanany ireo mpanao fisafona ka maty voatifitra nandritra ny fifanjevoana ny Dahalo iray antsoina hoe JACQUELIN na JAKY MENA‚ tafatsoaka kosa ireo dimy namany.

Dahalo efa raindahany‚ ela nikarohana ity maty voatifitra ity. Efa nifonja tamin’ny raharaha halatr’omby izy ny taona 2019. Anisan’ireo nandray anjara ihany koa tamin’ny fanafihana mitaham- piadihana tany Ambodinanto fokontany Beangaka kaominina ambanivotra Saranambana distrika Fenoarivo – Est izay nahaverezana vola telo polo tapitr’isa ariary no fitambarany tamin’ny tokatranon’olona izay miisa 12 voaroba tamin’ny 08 marsa 2023 teo. kalazalahy tamin’ny vakitrano fony izy mbola nipetraka tao Ambatobe no sady mpamerin-keloka. Tratra teny aminy ny basy vita gasy iray sy bala ary fanafody gasy maromaro toy ny mohara.

Mitohy ny ezaka fampandriana fahalemana ataon’ny Zandarimaria ao Andilamena‚ mba afahan’ny vahoaka manao fety ampilaminana sy miatrika ny fifidianana izay ho avy ao anaty fitoniana‚ araka ny fanazavana.

Zarao :
Omeo naoty ny lahatsoratra

contact@presse-aboahoankiaka.mg

-

Leave A Comment