a
FandraisanaFampianaranaANCIENS SEVIRA ANTSOHIHY : VATO NAZAHOANA SOA AZA HOSORANA TANTELY

ANCIENS SEVIRA ANTSOHIHY : VATO NAZAHOANA SOA AZA HOSORANA TANTELY

ANCIENS SEVIRA ANTSOHIHY : VATO NAZAHOANA SOA AZA HOSORANA TANTELY

Namokatra sy nahay nitaiza ary nahavita ny adidiny ireto mpampiatra maintimolaly tao amin’ny SE.VI.RA ( Sekoly Victoire Rasoamanarivo ) ireto ‚ matoa mahavelon-tena ary tsongoim-bolo eo anivon’ny fiarahamonina ireo mpianatra maintimolaly tao izay nampianariny.

Mpampianatra nampianatra hatramin’ny taona 1994 no tsaroan’ireo mpianatra maintimolaly sy notolorana fanomezana omaly 25 Febroary 2023 . Faly izy ireo ary mahatsiro ho manan-janaka manana ireto mpianatra nahavita fianarana tao ireto.

Ny vato nazahoana fahasoavana aza hosorana tantely maika ve ireo mpampianatra izay nahitan-tsoa ? Tsy adino ireo fampianarana sy fitaizana ary fananarana azo tato ‚ ampy iatrehana ny fiainana koa mankasitraka anareo mpampianatra ‚ hoy ireo mpianatra maintimolaly nitondra teny fisaorana hoan’ireto mpampianatra ireto . Ho rakietina ny fikambanan’ny mpianatra maintimolaly ao amin’ny SEVIRA ‚ izay hitondra anjara birikiny amin’ny fanatsarana ny fampianarana sy ny fitaovana ary fotodrafitrasa mifanaraka amin’izany.
Misy ny mbola manohy asa fampianarana ‚ misy kosa ireo efa misotro ronono sy manao zavatra hafa ka fifaliana sy aravoana tanteraka no nandravahana ny fiarahana.
Zarao :
Omeo naoty ny lahatsoratra

contact@presse-aboahoankiaka.mg

-

Leave A Comment