ANCIENS B5 ANTSOHIHY : NAMBOLY ZANA-KAZO 100 FOTOTRA TAO BEKITROBAKA
Adidin’olom-pirenena tsirairay ny miaro sy mikojakoja ny tontolo iainana mba tsy ho potika sy rava satria io no fototra afahantsika miaina eto an-tany . Tsy tokony hiraviravy tànana araka izany isika fa manana adidy amin’ny fandrakofana ala maitso an’i Madagasikara ‚ hoy ny filohan’ny fikambanana maintimolalin’ny Barikadimy ( Anciens B5 ) eto Antsohihy ‚ Atoa Robel Tilaide Partout androany raha nanentana ny hery velona rehetra hiarahientana amin’ny fiarovana ny tontolo iainana fa indrindra ny ala.
Zana-kazo 100 fototra no voavolin’ny fikambanana tao Bekitrobaka Antsohihy androany 11 Martsa 2023.