a
FandraisanaPolitikaANANDRIMBATO ‚ CU BEALANANA : NATOLOTRA HO AMPIASAN’NY VAHOAKA NY BIRAON’NY FOKONTANY VAOVAO

ANANDRIMBATO ‚ CU BEALANANA : NATOLOTRA HO AMPIASAN’NY VAHOAKA NY BIRAON’NY FOKONTANY VAOVAO

ANANDRIMBATO ‚ CU BEALANANA : NATOLOTRA HO AMPIASAN’NY VAHOAKA NY BIRAON’NY FOKONTANY VAOVAO

Mba ho fitsinjovana sy fanomezana hasina ny vahoaka sy ireo tompon’andraikitra eny anivon’ny fokontany ao Anandrimbato ‚ kaominina ambonivohitry Bealanana dia nanamboatra ity trano ity ny Ben’ny tanàna Aziz Andriamanantsoa ary natolotra ampahibemaso ho azon’ny rehetra ampiasaina izany ny herinandro lasa teo.

 Nandritra ny lanonana nanolorana sy notokanana ity fotodrafitrasa ity no nanolotra seza sy kojakoja ilaina ao amin’ny birao ny vadin’Andriamatoa Ben’ny tanàna raha nanolotra Jiro hanazava ny fokontany kosa ny kaominina.

Faly ny vahoaka ifotony ary mahatsapa fa manana mpiahy tokoa manana ny Ben’ny tanàna Aziz . Hatrizay dia tsy mba nanana biraon’ny fokontany ny tao Anandrimbato ary vola madiodion’ny Ben’ny tanàna Aziz no nanaovana ity fotodrafitrasa ity.
_____________________________
Aboaho Ankiaka ® JDR News.
Zarao :
Omeo naoty ny lahatsoratra

contact@presse-aboahoankiaka.mg

-

Leave A Comment