a
FandraisanaVaovaom-paritraANALALAVA : REFESIN’IREO MPANAO TETIK’ALA NY MINISTERAN’NY TONTOLO IAINANA SY NY FAMPANDROSOANA LOVAIN-JAFY

ANALALAVA : REFESIN’IREO MPANAO TETIK’ALA NY MINISTERAN’NY TONTOLO IAINANA SY NY FAMPANDROSOANA LOVAIN-JAFY

ANALALAVA : REFESIN’IREO MPANAO TETIK’ALA NY MINISTERAN’NY TONTOLO IAINANA SY NY FAMPANDROSOANA LOVAIN-JAFY

 Araka ny efa notateran-tsika azy teto dia nalefany fitsarana ao Analalava nody ireo voalaza ho tompon’antoka amin’ny fandripahana ala arovana ao Antsakoabe ary miandry fotoam-pitsarana ny 06 Septambra 2022 izao . Nosamboriny Quartier mobile ireo olona ireo ka natolotra ny manampahefana misahana ny tontolo iainana sy ny fampandrosoana lovain-jafy ary izy ireo aveo nandefa ny raharaha any amin’ny fitsarana mba hampiharana ny lalàna famaizana amin’ny fanaovana TETIK’ALA saingy sasam-poana ireto farany nandefa izany tany navotsotra mora izy ireo ?

Milaza ho manana taratasy afahana manao tetik’ala ara-dalàna ao amin’ny ala arovana izy ireo avy amin’ny Tompon’andraikitra misahana izany saingy tsy marina izany raha ny fanadihadiana natao . Ny fahazahoan-dalana hanadio tany fambolena no azon’izy ireo fa tsy hanao tetik’ala amin’ny faritra voarara sy arovana ‚ io taratasy io ihany koa no hentin’izy ireo manasa ati-dohan’ny tompon’andraikitra eo anivon’ny fitsarana ‚ ampiarahina amin’ny tsolotra mba hamotsorana azy madiodio ?

Niditra an-keriny teo amin’ny ala arovana izy ireo nanao fambolena katsaka voalohany ‚ olona 10 lahy mahery izay ekipan’izy ireo avokoa niaraka tonga tamiko ‚ nanery aho mba hanao sonia ny fangatahana nataony tamin’izany fotoana ka nahafahany nahazo io taratasy fanadiovana tany fambolena izay nitatra amin’ny ala arovana io ‚ hoy ny fanazavana nataony lehiben’ny fokontany Antsakoabe.

Efa nisy moa ny taratasy mandràra ny fanaovana io tetik’ala sy fanadiovana vandivandy voalaza io navoakany tompon’andraikitra misahana ny tontolo iainana ao Analalava ny 08 Aogositra 2022 ‚ saingy tsy norarahian’ireo mpanao tetik’ala izany fa nanohy ny asa ary nihamafy tanteraka Izany rehefa navelan’ny fitsarana nody izy ireo araka ny fanazavana.

Refesin’izy ireo araka izany ny Ministeran’ny tontolo iainana sy fampandrosoana lovain-jafy ary tsy ho voasakana sady hirongatra ny fanaovana TETIK’ALA ao Antsakoabe ‚ raha izao no tsy andraisana fepetra matotra sy hentitra . Ho zava-poana ary tsy hazoto intsony olona hanao fambolen-kazo raha ny efa misy no potehina noho ny tombontsoan’olom-bitsy . Tsiahivina ihany fa ny volana Jolay 2022 teo no nisy atrik’asa goavana nifampidinihan’ny tompon’andraikitra avy ao amin’ny Ministeran’ny fitsarana sy ny Ministeran’ny tontolo iainana sy fampandrosoana lovain-jafy ary ny WWF ‚ momba ny fampiharana ny fehezan-dalàna famaizana amin’ny ala arovana ‚ fanaovana TETIK’ALA ary Doro-tanety . Nanizingizina moa ny Tompon’andraikitra eo anivon’ny fitsarana tamin’izany fotoana fa tsy handefitra manoloana ny fanimbana tontolo iainana ary hampiditra am-ponja ireo tratra manao izany fa indrindra amin’ny ala arovana . Andrasantsika sy ho arahintsika eto ny tohin-draharaha.

_______________________________
Aboaho Ankiaka ® JDR News.
Zarao :
Omeo naoty ny lahatsoratra

contact@presse-aboahoankiaka.mg

-

Leave A Comment