a
FandraisanaVaovaom-paritraANALALAVA : OMBY HALATRA 200 MAHERY SARON’NY ZANDARY NANDRITRA NY HETSIKA VOALOHANY FISAFOANA IREO TOERANA FIEREN-JIOLAHY SY FANAFENANA OMBY HALATRA‼️

ANALALAVA : OMBY HALATRA 200 MAHERY SARON’NY ZANDARY NANDRITRA NY HETSIKA VOALOHANY FISAFOANA IREO TOERANA FIEREN-JIOLAHY SY FANAFENANA OMBY HALATRA‼️

ANALALAVA : OMBY HALATRA 200 MAHERY SARON’NY ZANDARY NANDRITRA NY HETSIKA VOALOHANY FISAFOANA IREO TOERANA FIEREN-JIOLAHY SY FANAFENANA OMBY HALATRA‼️

Ho fametrahana ny fandriampahalemana sy fanamafisana ady atao amin’ny halatr’omby ary fampihorohoroana ataon’ireo tanora maditra ato amin’ny faritra Sofia dia manatanteraka hetsika manokana ny Zandarimariam-pirenena ato amin’ny faritra Sofia izay tarihin’ny Kolonely Lys Odon Randriamidona – Komandy ny vondrontobim-pileovana Sofia.

Andro voalohany nanombohana hetsika tao Analalava dia sarona tao Andavarary Ambony Analalava‚ ireo omby halatra miisa 200 mahery‚ niaraka tamin’ny fitaovam-piadian’ireo jiolahy‚ basy lava iray miaraka amin’ny bala ary dahalo iray voasam-bobelona‚ raha tafaporitsaka ireo 05 lahy namany. Nohentina ao amin’ny vala-pamonjana (fourrière) Analalava‚ giazana mandrapahavitan’ny fandaminana amin’ny famerenana azy amin’ny tompony.

Efa nonomboka talohan’io ny hetsika nataon’ny zandary teto Antsohihy izay nisamborana ireo lehilahy mpanapatra fahefana‚ mpampihorohoro sy mampijaly vahoaka amin’ny alalan’ny DINA TSY MANDEFITRA‚ DINA TSY ZAHAGNAELA‚ DINA MARAGNITRY. izay tratra miantso zandary rehefa very fananana‚ na tratra mijery maharitra ireo mpiray dia hosorana sakay ny masony ary alefa eo amin’ny masoandro sady hitakiana vola 400 000Ar ho saran’ny Dina izay tsy mbola mbola nahazo fankatoavana tamin’ny fitsarana. Nosamborina ireo nahazahoana fitarainana momba izany‚ raha nandositra kosa ny sasany.

Amafisina hatrany ny fiarahamiasan’ny zandary sy ny vahoaka amin’ny alalany tanamaron’ny fandriampahalemana fa indrindra mialoha sy mandritra ary aorian’izao fankalazana ny faha-63 taona niverenan’ny fahaleovantena izao‚ hoy ny Kolonely Lys Odon Randriamidona – komandy ny vondrontobim-pileovana Sofia.

Zarao :
Omeo naoty ny lahatsoratra

contact@presse-aboahoankiaka.mg

-

Leave A Comment