ANALALAVA : NAHEMOTRA NY FOTOAM-PITSARANA NY RAHARAHA ANTSAKOABE
Hatairana no nahitan’ireo olona maro efa niala tanàna sy tambana ‚ avy any lavitra izay namonjy ny fotoam-pitsarana ny 06 Septambra 2022 teo tao Analalava ‚ faritra Sofia ‚ raha nahita fa nahemotra tampoka amin’ny 20 Septambra 2022 izao izany ‚ noho ny antony tsy fantatra sy tsy voasoratra ao anaty taratasy filazana teo amin’ny Biraon’ny Fitsarana.
Mafy tokoa ny manjohy ireo olona manan-draharaha eny amin’ny fitsarana ka mipetraka lavitra ‚ ankoatran’ny saran-dalana sy sakafo hiantohany tena manokana ‚ eo ihany koa ny vola tsy maintsy aloa amin’ireny trano fandraisam-bahiny ireny raha tsy manan-kavana na mahafantatra olona ao amin’ny tampon-tanànan’Analalava ‚ raha tsy tehatory eny amoron-dalana ‚ ny fahasahiranana manao ny ataony kanefa mbola mihemotra indray ny fotoana.
Tsiahivina fa anisany raharaha ‚ tokony notsaraina tamin’iny 06 septambra 2022 teo iny ny raharaha momba ny fandripahana ‚ tetik’ala mihoapampana ao anaty ala arovana Antsakoabe ‚ ary andrasany maro ny tohin-draharaha sy izay mety ho didim-pitsarana . Arahintsika eto ihany ny mety ho tohin-draharaha.