AMPANJAKA ZALIFA SY NY ZANANY VAVY : NITONDRA FANOMEZANA HOAN’IREO OLONA SAHIRANA ARA-PIVELOMANA TAO ANALALAVA
Hifarana ny taona ‚ mifety sy mifaly ny ankamaroan’olona fa misento sy tomany am-po ireo Zara raha mahita arapaka na ao anaty tsy fahasalamana ‚ eny ireo kamboty izay sahirana tanteraka sy tsy manana mpiahy.
Nipetraka amin’ny maha Ray aman-dreny azy ny AMPANJAKA ZALIFA ao Analalava sy ny zanany vavy Lamia ‚ nitondra fanomezana hoan’ireo Zaza kamboty ‚ ireo tra-pahasembanana ary ireo sahirana ara-pivelomana any an-toerana mba ho fankaherezana azy ireo sy ho fampifaliana azy amin’izao fetin’ny farany taona sy taom-baovao izao.
Ankoatrizay dia nisy fanomezana manokana nalefan’izy ireo hoan’ny vahoaka sahirana ao amin’ny fokontany Nosy lava.
_____________________________
Aboaho Ankiaka ® JDR News.