a
FandraisanaVaovaom-paritraAMPAHATEZA AMBOHIPO : RANO FANADIOVANA SY FAMPIASAINA ANY AMIN’NY KABONE ( WC ) NO TONGA AN-TRANON’I Mamibe Artistes 🔸TSY MISY ATAHORANA NY RANO AVY AMIN’NY JIRAMA

AMPAHATEZA AMBOHIPO : RANO FANADIOVANA SY FAMPIASAINA ANY AMIN’NY KABONE ( WC ) NO TONGA AN-TRANON’I Mamibe Artistes 🔸TSY MISY ATAHORANA NY RANO AVY AMIN’NY JIRAMA

AMPAHATEZA AMBOHIPO : RANO FANADIOVANA SY FAMPIASAINA ANY AMIN’NY KABONE ( WC ) NO TONGA AN-TRANON’I Mamibe Artistes 🔸TSY MISY ATAHORANA NY RANO AVY AMIN’NY JIRAMA

Rehefa natao ny fitsirihana tao amin’ny tranon’i Mamibe Artiste dia tahaka izao ny zava-nitranga :
🏢 Trano lehibe iray misy rihana telo no misy azy ka izy no aty amin’ny farany ambany. Mampiasa irony fitaovana fanadiovana lavapiringa izay alefa ao anaty « chasse d’eau » antsoina hoe « bloc chasse d’eau » na « eau bleue » irony ny tokantrano ao amin’ny rihana voalohany amin’ny ilany ankavanana.

 Rehefa natao ny fitsirihana ny fantsona rehetra ampiasain’izy ireo dia hita fa tsy manaraka ny fenitra izany. Ka ny rano ao anatin’io « chasse d’eau » io avy eo no miverina any anaty fantsona ary mahatonga ny rano ho lasa mangamanga . Na izany aza dia nanao fitsirihana ny fahadiovan’ny rano tamin’ny manodidina rehetra ireo teknisian’ny laboratoaran’ny Jirama ka madio tsara ary tsy misy loko no sady tsy misy atahorana ny rano ampiasain’ny olona rehetra.

 Tsara ny manamarika fa misy ny décret 2003 – 941 mamaritra ny fanarahamaso ny rano. Ka ao amin’io ny kalitao ny rano fisotro madio. Amin’ny ankapobeny dia faritana amin’ny kalitao « physico-chimique » sy kalitao « bacteriologique » ny fahadiovan’ny rano

Ny rano vokarin’ny JIRAMA dia manaraka tanteraka ny fenitra voalazan’io décret io miala eny amin’ny tobim-pamokarana ary efa nasiana ny singa (chlore) ao anatiny mba ho voahaja hatrany amin’ny kaonteran’ny mpanjifa . Koa raha misy tranga mampiahiahy mahakasika ny kalitaon’ny rano dia entanina isika mpanjifa MBA hampandre avy hatrany ny JIRAMA amin’ny alalan’ny 📞 3547 mba hisorohana ny fikorontanan’ny saim-bahoaka sy ny fanohintohinana ny filaminana ihany koa amin’ny fizarana horonantsary any anaty tambazotran- tserasera.

Entanina ihany koa isika mba hanara-maso tsara ny « installation » an’ny fantsona ao tokantranontsika mba tsy hidiran’ny singa ivelany ka hanova ny kalitaon’ny rano ‚ hoy ny fanazavana sy hafatra avy amin’ny JIRAMA.
_____________________________
Aboaho Ankiaka ® JDR News.
Zarao :
Omeo naoty ny lahatsoratra

contact@presse-aboahoankiaka.mg

-

Leave A Comment