AMBOHIMIANDRA : LEHILAHY TSY MAHAVELON-TENA ▪️MIDAROKA SY MAMONO VADY
Ity Renim-pianakaviana mitaiza zazakely vao 02 taona monja ity no miasa ‚ mamelona sy mampandeha ny fiainan-tokatranon’izy telo mianaka . Tsy miasa ilay rangahy ‚ narary tampoka anefa ravehivavy ‚ tsy nisy narapaka tao an-trano ‚ tsy nisy vola vidianana fanafody na nitaraina aza tsy nahita vahaolana momba azy ilay rangahy ka nanapa-kevitra ny hamonjy havany mba hitsabo-tena sy hitady vola ravehivavy.
Tsy fantatra anefa izay nanjohy ity rangahy ity ny tolakandro ny zoma 03 Febroary 2023 teo fa tsy nanaiky ny handehanan-dravehivavy ‚ tsy vitan’izany ihany fa mbola nanaparany habibiana ravehivavy efa narary ‚ nokendakendainy aveo nitondrahany rano mangotraka.
Efa manaraka fitsaboana ilay Renim-pianakaviana amin’izao fa tsy misy atahorana ny ainy . Efa Nitondra ny fitarainany tao amin’ny Association Fitia sy nametraka fitoriana teny amin’ny zandary ihany koa ny fianakaviany momba ity raharaha ity.