a
FandraisanaKolontsaina sy TalentaAMBOHIMANGA ROVA : NANAFITOHINA NY MPANDALA FOMBAN-DRAZANA NY TAFIKA MASINA NATAON’NY SAMPANA FIFOAZANA AO AMIN’NY FJKM

AMBOHIMANGA ROVA : NANAFITOHINA NY MPANDALA FOMBAN-DRAZANA NY TAFIKA MASINA NATAON’NY SAMPANA FIFOAZANA AO AMIN’NY FJKM

AMBOHIMANGA ROVA : NANAFITOHINA NY MPANDALA FOMBAN-DRAZANA NY TAFIKA MASINA NATAON’NY SAMPANA FIFOAZANA AO AMIN’NY FJKM

 Raisinay mpandala ny fomban-drazana ho fametavetana ny maha Malagasy ny fananihana Doany ataon’ny Ratrema sy ny mpandihiny ka miantso manampahefana mba hananatra azy dieny tsy mbola miakatra ny hatezeran’ny tompony ‚ hoy ny fanehoan-kevitra ra nataon’ny solombavambahoaka Rossy taorian’ny hetsika tafika masina nataon’ireo sampana fifoazana ao amin’ny fiangonana FJKM tao Ambohimanga Rova ‚ toerana misy ireo Razambe manankasina sy ireo Ampanjaka maro ao Antananarivo.

Namoaka fanambarana mampatsiahy ny maha laika sy tsy miandany amin’ny fotom-pinoana samy hafa ary mampahafantatra ny fiahiany ‚ sy ny tonkony hanajana ny kolontsaina Malagasy ny Ministeran’ny serasera sy ny kolontsaina ‚ rehefa nafana ny adi-hevitra tato amin’ny tambazotran-tserasera . Mbola nanamafy ihany koa moa ny mpanakanto Rossy sady Solombavambahoaka fa tsy mbola nametaveta ny toby na ny fiangonana misy an’i Xavier Ratrema izy ireo ( mpandala ny fomban-drazana ) ka miantso ny hisiany fifanajana ‚ mba tsy hisiany fifamonoana.

 Mbola mijanona ho resa-be eto Madagasikara fa indrindra eo amin’ny Kristianina sy mpandala fomban-drazana ny fanompoana atao eny amin’ny Doany ‚ raisin’ireo Kristianina ho fanompoan-tsampy ‚ fanompoana devoly ny fanaovana izany ka tokony ho aravana ‚ azo atao mihitsy ny manimbazimba azy mba ho potika sy hialan’ny hasina aminy? Tsy manaiky ny hanimbazimbana sy hanaovana tsinotsinona ireo doany anefa ny mpandala fomban-drazana mba ho fitandroana ny hasina maha Malagasy ary indrindra ny hiarovana ny Tany sy ny vahoaka tsy ho lasa babo na ho andevo tahaka ny efa nitranga tany aloha araka ny lovan-tsofina ‚ fombam-bazaha nohentina andrebirebena ny sain’ny Malagasy mba afahana mamotika azy sy azahoana ny taniny no nampidirina ny fivavahana teto Madagasikara ary ny Malagasy ihany no tambazan’ireo vahiny hanatanteraka izany mba afahany miditra mora sy mandresy azy amin’ny alalany ady raha ilaina ?

Tokony hifanaja sy tsy hifandrangitra ny samy mpino na ny Kristianina na mpanaraka ny fomban-drazana fa samy hanao ny fanompoany an-kalalahana raha tiana ny hisiany filaminana ‚ tokony ho hentitra ihany koa ny fitondram-panjakana amin’ny fandraisana andraikitra sy fepetra ‚ raha misy mihoa-pefy na manimbazimba ny fanompoan’ny hafa raha tena tsy miandany tokoa ‚ hoy ny fanehoan-kevitrin’ny olom-pirenena sasany.
_____________________________
Aboaho Ankiaka ® JDR News.
Zarao :
Omeo naoty ny lahatsoratra

contact@presse-aboahoankiaka.mg

-

Leave A Comment