a
FandraisanaSosialyAMBILOBE : NOTOLORAN’NY FILOHA ANDRY RAJOELINA BISIKILETA NY MPIANATRA NAHAZO LOREATY , NITOKANANA NY LAPAN’NY FITSARANA VAOVAO

AMBILOBE : NOTOLORAN’NY FILOHA ANDRY RAJOELINA BISIKILETA NY MPIANATRA NAHAZO LOREATY , NITOKANANA NY LAPAN’NY FITSARANA VAOVAO

AMBILOBE : NOTOLORAN’NY FILOHA ANDRY RAJOELINA BISIKILETA NY MPIANATRA NAHAZO LOREATY , NITOKANANA NY LAPAN’NY FITSARANA VAOVAO

Fotodrafitr’asa maro no efa najoron’ny fotondram-panjakana izay tarihiny filoha Andry Rajoelina eto Madagasikara ary manakaiky vahoaka sy mamaha ny olan’ny vahoaka ifotony ihany koa . Tsy mijanona any amin’ny birao fotsiny fa midina ifotony ‚ mijery izay mampanahirana ny vahoaka nifidy azy ary mamaha izany.

Ny fanabeazana no fototra iorenan’ny maha olona sy fampandrosoana ka nataon’ny fotondram-panjakana laharam-pahamehana ny fametrahana ny sekoly marapenitra manerana an’i Madagasikara ‚ fototry ny fandriampahalemana izay ihorenana ny fampandrosoana ihany koa ny fanjakany RARINY sy ny HITSINY ary indrindra ny MARINA eo anivon’ny FITSARANA ka miezaka ny mametraka fotodrafitr’asa mifanaraka amin’izany ary mametraka ny rafi-pitsarana manakaiky vahoaka ny fotondram-panjakana mba hisiany fandriampahalemana ‚ anisan’izany ny lapan’ny fitsarana izay notokanan’Atoa Filoha Andry Rajoelina androany 10 Septambra 2022 tao Ambilobe ‚ faritra Diana.

Ankoatrizay dia notoloran’ny filoha Andry Rajoelina fanomezana toy ny Boky ( dictionnaire ) misy dikan-teny samihafa mba hahafehezin’ny ankizy ‚ tanora Malagasy tenim-pirenena maro ( ohatra amin’izany ny Paoma ‚ izay ho fantatr’ireo ankizy ny anarany amin’ny teny Frantsay sy Anglisy hoy ny filoha ) . Notolorana BISIKILETA ihany koa ny mpianatra sy mpampianatra mendrika ‚ nahazo TABLETTE vaovao ilay zazavavikely mpianatra mendrika tao Ambilobe ‚ « hotolorana BISIKILETA avokoa ny mpianatra mahazo LOREATY rehetra » hoy ny filoha Andry Rajoelina tao Ambilobe.
_______________________________
Aboaho Ankiaka ® JDR News.
Zarao :
Omeo naoty ny lahatsoratra

contact@presse-aboahoankiaka.mg

-

Leave A Comment