a
FandraisanaVaovaom-paritraAMBARARATA SOFIA – BEALANANA : NOFANTSIHIN’NY VAHOAKA NY BIRAON’NY KAOMININA MISY NY BEN’NY TANÀNA‼️

AMBARARATA SOFIA – BEALANANA : NOFANTSIHIN’NY VAHOAKA NY BIRAON’NY KAOMININA MISY NY BEN’NY TANÀNA‼️

AMBARARATA SOFIA – BEALANANA : NOFANTSIHIN’NY VAHOAKA NY BIRAON’NY KAOMININA MISY NY BEN’NY TANÀNA‼️

Nanao fihetsiketsehana ary mitaky ny hanesorana ny Ben’ny tanana ny vahoaka maro monina sy mipetraka ao amin’ny kaominina Ambaratan’i Sofia‚ Distrika Bealanana omaly 25 Mey 2023. Nofantsihin’izy ireo ny varavaran’ny kaominina izay misy ny biraon’ny ben’ny tanàna Roger ary nasiana sora-baventy «TSY MISOKATRA RAHA TSY MISOLO ROGER‚ MISAOTRA VAHAOKA». Nisy ny filanjana sora-baventy namakivaky tanàna ary antsovo avo mandeha amin’ny tompon’andraikitra ara-panjakana.

Raha ny vaovao voaray avy any an-toerana dia nangataka ny hamindrana toerana ny Dokotera miasa any Ambararatan’i Sofia ity Ben’ny tanàna ity noho ity farany efa mifandray loatra amin’ny vahoaka ka atahorana hirotsa-kofidiana ho Ben’ny tanàna any ka hanahirana ary mety ho lany. Voalaza fa efa nisy fihaonana sy fifampiresahana nataon’ity Ben’ny tanàna TGV ity sy Depiote VPAN voafidy tao Mahajanga ka efa mandeha ny baiko midina any amin’ny Talem-paritry ny fahasalamam-bahoaka Sofia ny hamindrana io Dokotera io‚ raha ny loharanom-baovao.

«ALEO TSY MISY MAIRE TOY IZAY DOKOTERA»‚ «TSY FOINAY DOKOTERANAY»‚ «MAIRE ROGER MPAMONO VAHOAKA»‚ «MAMINAY NY CHEF CSB – STEPHANO»‚ hoy ny ampahany amin’ireo sora-baventy nolanjain’ireto vahoaka tsy mankasitraka ny hamindrana ny Dokotera Stéphano (infirmier) miasa sy mipetraka any Ambararatan’i Sofia. Miantso ny Solombavambahoaka voafidy tany an-toerana sy ny Governora Faritra Sofia mba hijery akaiky ity raharaha ity ny vahoaka ifotony izay korontanin’ny Ben’ny tanàna sy ireo manampahefana ao amin’ny fitantanan-draharaha momba ny fahasalamam-bahoaka.

Ny loharanom-baovao hatrany no nahafantarana fa tsy mijanona any amin’ny kaominina nalahany azy ity ny Ben’ny tanàna amperinasa io fa any Bealanana izy no mpetraka‚ toerana lavitra sy saro-dalana rahateo any Ambararata ka malaina ny olona hiasa any ka ity Dokotera ity no nanetritena mikarakara vahoaka any ifotony izay tsy mahafaly ny Ben’ny ka hanaovany izao anjonjay izao.

Zavatra tahaka izao no manimba endrika ny fitondrana indraindray‚ olona efa hita miasa mbola elingelenina noho ny fitiavan-tena ara-politika‚ sahirana ny mpiasam-panjakana manao ny asany‚ hoy ny olom-pirenena maneho ny heviny. Tsy mbola nahazahoam-panazavana ireo voatonotonona fa arahintsika eto ny mety ho tohin-draharaha.

Zarao :
Omeo naoty ny lahatsoratra

contact@presse-aboahoankiaka.mg

-

Leave A Comment