a
FandraisanaFilazana manjoAMBANJA : MATY NISY NAMONO TAMIN’NY FOMBA FENO HABIBIANA I PASCALINE‼️

AMBANJA : MATY NISY NAMONO TAMIN’NY FOMBA FENO HABIBIANA I PASCALINE‼️

AMBANJA : MATY NISY NAMONO TAMIN’NY FOMBA FENO HABIBIANA I PASCALINE‼️

Tovovavy 27taona‚ Tanora katolika‚ mivondrona ao amin’ny fikambanana TAMPIKRI avy aty amin’ny faritra Sofia fa mitady ravinahitra ao Ambanja i Pascaline na Nomenjanahary Pascaline Marie Fazila no tena anarany. Maty nisy namono tamin’ny fomba mahatsiravana teo akaikin’ny Tetezana Sambirano izy ka omaly maraina ny alakamisy 25 Mey 2023‚ vao nisy nahita ny nofo mangatsikany tao anaty kirihitr’ala sady feno ratra.

Ahiana ho nisy nanolana izy aveo novonoina‚ raha ny fanazavana voaray avy any an-toerana. Efa an-dalana haka ny nofo mangatsikany any Ambanja ireo Tanora katolika namany ary hitondra azy hody aty amin’ny faritra Sofia raha vaovao voaray ny maraina teo.

Zarao :
Omeo naoty ny lahatsoratra

contact@presse-aboahoankiaka.mg

-

Leave A Comment