AIMÉRLINE RASOAHAJA : NAMPANDALOVINA TAO AMIN’NY SEKOLY « IMAM DJ’AFAR SADIQ » AMBOTRARAHABA NY NOFO MANGATSIKANY
Ny maraina teo no tonga tao Antananarivo ny nofo mangatsikan-dratompokovavy Aimérline RASOAHAJA ‚ izay namoy ny ainy vokatry ny lozam-pifamoivozina an-dranomasina niseho ny 11 Septambra 2022 teo tao Ampondrabe Antsohihy . Nampandalovina tao amin’ny sekoly nianarany teo aloha ( IMAM DJ’AFAR SADIQ ) ao Ambotrarahaba mba hatao veloma farany.
Aorian’izany mihainga mamonjy ny fasan-dRazany izay 110km miala ao Antananarivo.
Mankahery hatrany ny fianakaviana manamanjo ![🙏](https://static.xx.fbcdn.net/images/emoji.php/v9/t80/1/16/1f64f.png)
![🙏](https://static.xx.fbcdn.net/images/emoji.php/v9/t80/1/16/1f64f.png)
_______________________________
Aboaho Ankiaka ® JDR News.