a
FandraisanaFambolena sy fiompinaADY AMIN’NY AFO MANDRAVA ATIALA SY DORO TANETY – NIDINA IFOTONY NANAO FANENTANANA NY SAMPANDRAHARAHA TOMPON’ANDRAIKITRA‼️

ADY AMIN’NY AFO MANDRAVA ATIALA SY DORO TANETY – NIDINA IFOTONY NANAO FANENTANANA NY SAMPANDRAHARAHA TOMPON’ANDRAIKITRA‼️

ADY AMIN’NY AFO MANDRAVA ATIALA SY DORO TANETY – NIDINA IFOTONY NANAO FANENTANANA NY SAMPANDRAHARAHA TOMPON’ANDRAIKITRA‼️

Tao amin’ny fokontany Matsaboribe sy Marosampanana kaominina Ampandriakilandy no nanombohana ny hetsika fanentanana ny olom-pirenena‚ ny tantsaha ifotony omaly 13 Jona 2023‚ mba hiarovana ny atiala sy afo mandoro sy mandravarava izany ka miteraka fahantrana‚ fahapotehany fihariana hoan’ny tantsaha mpamboly ary fahasahiranana tanteraka.

Nampahafantarina ny vahoaka ifotony fa mahavoasazy fanaovana Doro tanety na fanaovana motron-kiaka ary tsy mandefitra ny tompon’andraikitra misahana ny fiarovana izany‚ izay miaramiasa akaiky amin’ny fitsarana‚ nomena toromarika ihany koa izy ireo amin’ny zavatra tokony ataony raha mahita afo. Resilahatra ny vahoaka amin’ny fanamafisana ny fanarahamaso sy fandraisana andraikitra raha sendra mahita afo.

Nitarika ny delegasionina tamin’izany fanentanana izany ny “Chef Cantonnement Antsohihy” Atoa Séverin sy ireo ekipa avy ao amin’ny fitaleavam-paritry ny tontolo iainana sy fandrosoana lovain-jafy Sofia.

Tanjona‚ Antsohihy – faritra Sofia lavitra ny Doro tanety‚ seham-piharian’ny tantsaha milamina‚ miroborobo ao anaty fanajana ny tontolo iainana.

Zarao :
Omeo naoty ny lahatsoratra

contact@presse-aboahoankiaka.mg

-

Leave A Comment