a
FandraisanaNon classéADVENTISTE ANTSOHIHY : NY FINOANA SY FIANTEHERANA ARY FAHATOKISANA ILAY MPAHARY NO VAHAOLANA AMIN’NY FAMPANDROSOANA‼️

ADVENTISTE ANTSOHIHY : NY FINOANA SY FIANTEHERANA ARY FAHATOKISANA ILAY MPAHARY NO VAHAOLANA AMIN’NY FAMPANDROSOANA‼️

ADVENTISTE ANTSOHIHY : NY FINOANA SY FIANTEHERANA ARY FAHATOKISANA ILAY MPAHARY NO VAHAOLANA AMIN’NY FAMPANDROSOANA‼️

Tao amin’ny fiangonana Adventiste Ankiririky Antsohihy no nanaovana fiombonam-bavaka niraisana‚ niarahana tamin’ireo tompon’andraikitra ara-panjakana teto Antsohihy renivohitry ny faritra Sofia omaly 17 Jona 2023 taorian’ny hazakazaka niarahana.

Na inona na inona mitranga dia manana finoana isika‚ raha mino isika dia hahita vahaolana ihany‚ mino ary matoky ilay mpahary isika fa hahita vahaolana amin’ny fampandrosoana ireo tompon’andraikitra satria sambatra ny firenena izay manana an’I Jehovah ho Andriamaniny‚ hoy ilay mpitandrina nitondra teny fampaherezana sy vavaka hoan’ny firenena Malagasy sy ireo tompon’andraikitra ara-panjakana ary niantso firaisankina sy fifikantiavana‚ firaisam-po eo amin’ny samy Malagasy.

Nofaranana tamin’ny nofon-kena mitam-pihavanana ny lanonana. Niatrika ny fotoana sy nitarika ireo manampahefana sy tompon’andraikitra ifotony ny Lehiben’ny Prefektiora Antsohihy Naryson Roch Léopold ary ny Ben’ny tanàna NASIRY Ali.

Zarao :
Omeo naoty ny lahatsoratra

contact@presse-aboahoankiaka.mg

-

Leave A Comment