ADI-TANY AO AMBALABE EST ANTSOHIHY : IZA NO TENA TOMPONY KETRIKA MALOTO
Efa notaterantsika teto ny ampahany fanazavana nataony ISSOUF AMIZAHA momba ny tokony hamerenana ny tany izay voalaza ho nobodoin’ny rahalahin-dRainy ( MOHAMED ) ao amin’ny fokontany Ambalabe Est ‚ kaominina ambonivohitry Antsohihy izay niteraka resa-be ny Herinandro lasa teo.
Samy milaza ho tompony tany na i Mohamed izay milaza sy manindrahindra ny taratasy ( titre ) eny ampelatanany na i Amizaha Issouf izay milaza zafin’ny tompon-tany ary voasoloky fanana noho ny ketrika maloto nisy nandritra ny fikarakarana ny antontan-taratasy nataony Mohamed . Iza ary no tompony ketrika maloto sy tokony handova ? Fanontaniana apetraky ny mpanara-baovao.
Raha ny fanazavana nataony Mohamed Rafik dia nampiasa vola be i Amizaha Issouf mba handravana tany efa nahazahoany taratasy mazava avy tamin’ny tompon’andraikitra misahana ny fananan-tany ‚ voalazany fa nanao kolikoly izy nandritra ny raharaham-pitsarana ‚ nahafahany nandresy sy nampandoa onitra mihoapampana 200 000 000Ar ary mandroaka azy hiala eo amin’ny tany araka ny didim-pitsarana.
Namaly sy nitondra fanazavana momba ny fandotoana azy izany i Amizaha Issouf ary nilaza fa fanosoram-potaka sy fanendrikendrehana tsotra izao ny filazana azy ho nanao kolikoly teny amin’ny fitsarana . Nambarany fa efa nampitandrina an’i Mohamed sy ny zanany izy ‚ rehefa nanomboka ny fanamboarana trano izy ireo ny taona 2010 ‚ voalazany fa nisy fifampiresahana ho fitsinjovana ny fihavanana ‚ nisy ihany koa ny fanohanana “ opposition ” nataony tamin’izany saingy mbola nanohy ny asa ihany izy ireo ka nitondra ny raharaha teny anivon’ny fitsarana izy ( Issouf AMIZAHA ) aveo mba ahitana ny rariny.
10 volana nahatongavany raharaha teny anivon’ny fitsarana ambaratonga voalohany teto Antsohihy taoriany fanohanana natao ‚ teo vao nanomboka nikarakara taratasy mba ahazahoana « titre » i Mohamed ary tsy fantatra izay nataony tany fa efa nipetraka mialoha ny fanohanana nataoko ka hagagana no nandrenesako fa nahazo « titre » mazava avy amin’ny fanjakana Malagasy izy ‚ amin’ny tany mbola iadivana . Nisy moa ny fanadihadiana ifotony nataony tompon’andraikitra teo anivon’ny fitsarana taorian’izany rehefa nandeha ny ady ka tonga hatramin’ny fakana am-bava ireo olobe ‚ Ray aman-dReny nipetraka manodidina izay mahafantatra ny tantara ‚ ary samy nanamarina izy ireo tany sy tranon’ny Dadilahiko AIBOU sy FATOUMA io tany io ary mbola teo ihany koa no nipetraka Dj..sa Rain’i Mohamed ‚ vadin’i FATOUMA ( jaloko ) ‚ Ray kely nampijaly papako ary nivarotra tany sy fanananan’ny Dadilahiko AIBOU maro.