ABOHIJANAHARY ANTEHIROKA : TRANON’NY JENERALY EFA MISOTRO RONONO▪️NOTAFIHIN-JIOLAHY
Jiolahy miisa telo‚ tsy nanafina endrika ‚ nitondra jiro sy “ barre à mine ” no tonga nanafika tao an-tranon’ny Jeneralin’ny Tafika malagasy ‚ efa misotro ronono ‚ nivoaka tamin’ny andiany faha-5 ACMIL , omaly tokony ho tamin’ny 1 ora sy 45 minitra maraina, tao Ambohijanahary Antehiroka.
Niezaka nanohitra azy ireo ilay Jeneraly ka vaky nandositra niaraka tamin’ny finday 2 sy solosaina enti-tanana iray ireo Jiolahy ‚ araka ny fanazavana.
Tonga teny an-toerana ny zandary saingy efa tsy tratra intsony ireo olon-dratsy araka ny fanazavana hatrany.
_____________________________
Aboaho Ankiaka ® JDR News.