OJM : AVELAO HIASA MALALAKA NY MPANAO GAZETY‼️
Nivoaka tamin’ny fahanginany manoloana ireo tsindry maro isan-karazany mahazo ny mpanao gazety manatanteraka ny asany eto Madagasikara.
Tsy azo ekena ary melohina marin-drano ny endrika rehetra fanohintohinana ny fahalalahan’ny asa fanaovan-gazety toy izany, mamparefo ny zo ho amin’ny fahalalahana miteny, izay fototry ny demokrasia ; ka miantso amin’ny fahazoana malalaka ny vaovao, ny fampitsaharana ny fanilikilihana sy fikatonana, fanaovana sakantsakana ary ny fandrahonana ireo mpanao gazety ataona olom-boatendry sy olom-boafidy EO AM-PANATANTERAHANA NY ASANY‚ ny Holafitrin’ny mpanao gazety na ny OJM (Ordre des Journalistes de Madagascar)
Ankoatrizay dia nampatsiahy ary niantso ny mpanao gazety rehetra mba hanaja ny lalàna mifehy, ny tandrohasina sy ny malinasan’ny asa fanaovan-gazety. (éthique et déontologie) ; Nampatsiahiviny ihany koa fa tsy asa fanaovan-gazety velively ny famoahana vaovao amin’ny kaonty na takelaka manokana an-tambazotran-tserasera ary tsy voaaron’ny lalànan’ny asa fanaovan-gazety.
Manentana ny mpanao gazety mba hametraka ity sary ambany ity eo amin’ny kaonty koa ny OJM “ 𝐴𝑛𝑑𝑎𝑜 ℎ𝑖𝑟𝑎𝑦 𝑓𝑒𝑜 𝑖𝑠𝑖𝑘𝑎 𝑚𝑝𝑎𝑛𝑎𝑜 𝑔𝑎𝑧𝑒𝑡𝑦, 𝑘𝑎 ℎ𝑎𝑚𝑒𝑡𝑟𝑎𝑘𝑎 𝑎𝑚𝑖𝑛’𝑛𝑦 𝑘𝑎𝑜𝑛𝑡𝑖𝑛𝑡𝑠𝑖𝑘𝑎 𝑚𝑎𝑛𝑜𝑘𝑎𝑛𝑎 𝑛𝑦 « 𝐴𝑉𝐸𝐿𝐴𝑂 𝐻𝐼𝐴𝑆𝐴 𝑀𝐴𝐿𝐴𝐿𝐴𝐾𝐴 𝑁𝑌 𝑀𝑃𝐴𝑁𝐴𝑂 𝐺𝐴𝑍𝐸𝑇𝑌 », 𝑒𝑡𝑜 𝑎𝑚𝑏𝑎𝑛𝑦. 𝑀𝑎𝑛𝑜𝑚𝑏𝑜𝑘𝑎 𝑖𝑧𝑎𝑜 𝑘𝑎 ℎ𝑎𝑡𝑟𝑎𝑚𝑖𝑛’𝑛𝑦 18 𝑗𝑜𝑛𝑎, 𝐴𝑛𝑑𝑟𝑜 𝐼𝑟𝑎𝑖𝑠𝑎𝑚𝑝𝑖𝑟𝑒𝑛𝑒𝑛𝑎 𝑖𝑎𝑑𝑖𝑎𝑛𝑎 𝑎𝑚𝑖𝑛’𝑛𝑦 𝑙𝑎ℎ𝑎𝑡𝑒𝑛𝑦 𝑚𝑖𝑣𝑜𝑦 𝑓𝑎𝑛𝑘𝑎ℎ𝑎𝑙𝑎𝑛𝑎.”