a
FandraisanaVaovaom-paritraFANAMARIHANA NY FAHA-63 TAONA NIVERENAN’NY FAHALEOVANTENA : MIANTSO NY OLOM-PIRENENA REHETRA HANANGAN-TSAINAM-PIRENENA MALAGASY NY LEHIBEN’NY PREFEKTIORA ANTSOHIHY SY NY BEN’NY TANÀNA‼️

FANAMARIHANA NY FAHA-63 TAONA NIVERENAN’NY FAHALEOVANTENA : MIANTSO NY OLOM-PIRENENA REHETRA HANANGAN-TSAINAM-PIRENENA MALAGASY NY LEHIBEN’NY PREFEKTIORA ANTSOHIHY SY NY BEN’NY TANÀNA‼️

FANAMARIHANA NY FAHA-63 TAONA NIVERENAN’NY FAHALEOVANTENA : MIANTSO NY OLOM-PIRENENA REHETRA HANANGAN-TSAINAM-PIRENENA MALAGASY NY LEHIBEN’NY PREFEKTIORA ANTSOHIHY SY NY BEN’NY TANÀNA‼️

Hetsika maro no hoentina handravahana ny volana Jona 2023 izay hanamarihana sy hankalazana ny faha-63 taona niverenan’ny fahaleovantena no fetin’ny foloalindahy Malagasy eto Antsohihy renivohitry ny faritra Sofia izay karakarain’ny faritra Sofia sy ny Prefektiora ary ny kaominina ambonivohitry Antsohihy.

FANDAHARAM-POTOANA ⬇️
02 Jona : fanadiovana sy fanaingona ny tanàna‚ isan-tokantrano sy ny manodidina ary fanentanana ny rehetra samy hanangan-tsainam-pirenena Malagasy sy hanofahofa izany.
05 Jona : Fananganan-tsainam-pirenena miaraka eo amin’ny biraon’ny faritra Sofia izay hanasana ny sampandraharaha miankina sy tsy miankina amin’ny fanjakana ary fikambanana rehetra misy eto Antsohihy‚ hitovizana amin’ny diabe mamakivaky tanàna ( DIABEN’NY FAHALEOVANTENA) izany. Entanina ny rehetra samy hitondra sainam-pirenena Malagasy amin’izany.
17 Jona : Hisy fiaraha-miangona sy mivavaka ao amin’ny fiangonana Adventiste, izay hanasana olon-drehetra. Aorian’izay kosa miaraka amin’ny FFKM izay omena eto ihany ny fandaharam-potoana.
26 Jona : Hisy ny matso lehibe sy lanonana ofisialy hanamarina ny faha-63 niverenan’ny fahaleovantena‚ manomboka amin’ny 09 Ora maraina fa omena eto ny toerana hanaovana izany.
Io fandaharam-potoana amin’ny ankapobeny araka ny fanazavana nataony Lehiben’ny Prefektiora NARYSON Roch Léopold.

Misy ny hetsika ara-panatanjahan-tena sy ara-kolontsaina‚ PODIUM‚ MORENGY… hanomezana fahafaham-po ny vahoaka mandritra ny fety koa asaina ny rehetra samy hanangan-tsainam-pirenena Malagasy ho mariky ny fitiavan-Tanindrazana‚ hoy ny Ben’ny tanàna NASIRY Ali.

Zarao :
Omeo naoty ny lahatsoratra

contact@presse-aboahoankiaka.mg

-

Leave A Comment